18/11/2025
⭐ FAMANGIANA MANJO
MPAMANGY: Tsy tafim- panjakana akory no hanainga matoa isika vory marobe toy izao ary tsy fifaliana no hijoroanay eto fa fahoriana.Izahay moa tsy iza fa ny mpiara- mivavaka aminareo ao amin'ny fiangonana...ihany.Raha nandre izao voina mihatra sy midona aminareo izao izahay dia Tonga etoana hampionona sy hampahery; mafy tokoa izany hoe very fiantahantana sy fitositosiana izany ka mila tsy ho zaka ny fahoriana.Saingy miloloha lanitra moa isika ka mety Lena ary mandia tany ka mety ho solafaka; manan'aina ka mety maty.Koa mahaiza mionona tompoko fa ny ranomaso tsy mahatan'aina,ny singam- bolo tsy mahafehy faty.
Koa mahaiza mionona tompoko fa tombon- dalana ny azy,Ary aza misosoka alahelo intsony tompoko!!
Manarak'izany; ny fahoriana toy izao moa dia tsy vitan'ny tsetsetra sy ranomaso fotsiny ihany; fa misy ny adidy sy andraikitra manandrify ny tsirairay.Koa indreto izahay hanao Tanana miara- mandray,soroka miara- milanja,tongotra miara- mamindra ny amin'ny hitondrana izay mavesatra indrindra.Koa indro misy singan-dandy ho ampombainay ny maty sy fao- dranomaso ho an'ny velona.Kely dia kely tokoa r'izy mianakavy fa toy ny tsintsina mitondra vonin-tenina ihany ka ny teny fampiononana no enti- mameno azy;koa mahaiza mionona tompoko.
[REHEFA izay dia manao lahateny fangatahan-dalana raha handeha na koa fangatahana hiara-hipetrapetraka]
👉FANAMARIHANA: Ny famangiana dia miova arakakarakiny tranga misy
(Tsy salama,niara-boina sns...)
👉Na dia tsy ho mpikabary aza ny tanjonao!
dia tsarovy fa ilaina foana ny mianatra momban'ny KABARY AN-KARATSIANA!!
Izay misy ny lesona momban'ny famangiana manjo/Rasavolana/Kabary Am-pandevenana sns...
👉Fampianarana Kabary MALAGASY– Mampita ny soatoavina, mampivelatra ny fahaiza-miteny, ary manome voninahitra ny fitenintsika.
👉Ho anao izay maniry ny hanatevin-daharana dia misokatra ny varavarana !
Mandefasa hafatra (MP) avy hatrany.
Fampianarana Kabary Ampitain-davitra.
📞 WhatsApp 0383177759
Mitomboa hasina.