07/07/2026
🚨 RY RAY AMAN-DRENY, AZA ATAO TSINOTSINONA IZAO HAFATRA IZAO! 🚨
Ny fiarovana ny zanatsika dia andraikitry ny tsirairay. Na marina na tsia ny tsaho miparitaka, tsara kokoa ny mitandrina toy izay hanenenana.
⚠️ Tsarovy ireto:
✅ Aza avela handeha irery ny ankizy, indrindra eny amin'ny toerana be olona.
✅ Ampianaro izy tsy hanaraka olona tsy fantany, na dia milaza aza ilay olona hoe "nalefan'i dada na neny".
✅ Aza avela handray fanomezana, vatomamy na vola avy amin'ny olon-tsy fantatra.
✅ Ampianaro hiantso mafy hoe: "Vonjeo aho! Tsy fantatro io olona io!" raha misy manandrana mitondra azy.
✅ Ataovy fantany ny laharan-telefaonin'ny ray aman-dreny sy ny anaran'izy ireo.
✅ Mifampiresaha isan'andro amin'ny zanakao momba ny fiarovana azy.
❤️ Aoka isika hiara-hiaro ny ankizy. Ny fahamalinana sy ny fifampitandremana no fiarovana voalohany.
📢 Zarao ity hafatra ity mba hahatratra ray aman-dreny maro kokoa. Mety hamonjy aina ny fizaranao.