Maison Petit Bout

Maison Petit Bout Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Maison Petit Bout, Baby Goods/Kids Goods, Nanisana, Antananarivo.

Nous proposons une sélection de produits de qualité pour accompagner votre bébé et faciliter vos cadeaux de naissance.

✔️ Articles soigneusement choisis
✔️ Coffrets prêts à offrir
✔️ Service client réactif

Commandes via message privé

Misy hafanana ve ny zanakao ? Ireto avy ary ny tokony ho ataoTsara marihina aloha fa manomboka 38°C ny atao hoe manavy, ...
25/04/2026

Misy hafanana ve ny zanakao ? Ireto avy ary ny tokony ho atao
Tsara marihina aloha fa manomboka 38°C ny atao hoe manavy, tsaratsara kokoa raha any amin'ny vodiny no alaina ny température mba ho tena sûr.

Ireo fihetsika mila atao :
- Ataovy maivamaivana ny akanjony.
- Omeo rano izy hosotroiny raha efa misotro rano fa sao sanatria déshydrater eo. Raha mbola nono fotsiny dia omeo nono izy.
- Araho maso tsara sao misy fiovana ny fihetsiny.
- Afaka manome Paracétamol (Doliprane, Efferalgan) fa atao mifanaraka amin'ny lanjany ny dose omena azy.

Rehefa inona no tokony hanantona dokotera en urgence ?
- Raha latsaky ny 3 volana ny zaza, indrindra latsaky ny 28 andro.
- Raha mifanintona izy.
- Raha malemilemy be izy, ohatran'ny rendremana foana.
- Raha tsy mety misotro rano na tsy mety minono izy.
- Raha tsy mahavita miaina tsara izy.

Rehefa inona no tokony hanantona dokotera tsotra (tsy urgence be ohatran'ny voalaza etsy ambony fa tsy tokony lalaovina kosa nefa) :
- Rehefa nihoatran'ny 48H ny hafanana.
- Raha mihoatran'ny 39°C ny hafanany.
- Raha misy fambara hafa toy ny boutons eny amin'ny hoditra miaraka amin'ilay hafanana.

Aiza avy ireo toeram-pitsaboana mandray zazakely en urgence fantatrao ? Mba zarao ho an'ireo ray aman-dreny mety mila izany

Tsy mety micaca mihitsy ve ny zazakelinareo ? Ireto ary misy torohevitra vitsivitsy hanampy anareo any an-trano.Fa aloha...
23/04/2026

Tsy mety micaca mihitsy ve ny zazakelinareo ? Ireto ary misy torohevitra vitsivitsy hanampy anareo any an-trano.
Fa alohan'izay aloha dia tadidio fa tsy voatery micaca isan'andro ny zazakely (hafa ilay tamin'ny vao teraka hoe vao minono dia micaca). Ny zazakely minono nonon-dreny fotsiny koa dia mety tsy hicaca mandritran'ny andro maro (mety tonga hatramin'ny herinandro na mhoatra kely) satria mora levona kely ny nonon-dreny dia tsy manome loto betsaka.

Fa raha zaza tena tsy mahavita micaca dia ireto misy torohevitra vitsivitsy :
- Massage kely moramora eo miodina manaraka famantaran'ora. Afaka atao indroa isan'andro mba hanampy hampietsika ny tsinainy.
- Aforitra eto amin'ny kibo ny tongotra, ohatran'ilay manao bicyclette ireny.
- Ampandroina amin'ny rano mafana dia tondrahana eo amin'ny kibony.
- Omena rano, raha efa mihoatran'ny 6 volana izy dia afaka omena rano kely mba hampalemilemy ny tainy. Afaka omena jus de tomate koa fa iny tena manampy raha constipé ny zaza.
- Raha zaza efa misakafo dia afaka omena poire na papaye. Ahena ihany koa ny fihinanany akondro, karoty ary vary aloha.
- Raha vao niova ronono izy dia diniho kely ihany sao nanomboka tamin'iny no constipé fa arakaraky ny toe-batan'ny zaza dia misy ronono tsy zakany.

Rahoviana no tokony hanantona dokotera ?
- Raha sady tsy mandefa rivotra mihitsy ny zazakely.
- Raha mitomany mivazavaza hita hoe marary azy ilay izy.
- Raha maharitra andro maromaro ilay izy na dia efa manaraka torohevitra ary.
- Raha misy rà kely mivoaka na misy trace-na rà ny kilaotiny.

Mitomany foana ve ny pisokelinareo n'inon'inona atao azy ? Sao mba misy rivotra ? Ny zazamena dia matetika somary be riv...
17/04/2026

Mitomany foana ve ny pisokelinareo n'inon'inona atao azy ? Sao mba misy rivotra ?
Ny zazamena dia matetika somary be rivotra izay ary tena marary azy ka tsy tokony avela

💡Ireto misy fikafika kely hanampy anao hanala an'iny rivotra be iny :
- Atao massage moramora ny kibony, atao miodina ohatran'ny famataran'ora ny tanana. Afaka asiana diloilo coco afanaina tsara fa tandremana tsy atao eo raha mbola tsy nilatsaka ny tadim-poitra.
- Aforitra mankeo ny tongony roa, ohatran'ilay manao exercice bicyclette ireny.
- Jereo sao sendra mangatsiaka loatra ny akanjo anaovany.

Inona koa ny fikafika fanaonareo mba hanampy ny ray aman-dreny hafa ?

Anisan'ny zava-dehibe anaty fivoaran'ny zazakely ny fanomezana sakafo ankoatran'ny nono azy voalohany. Tsy ataotao foana...
10/04/2026

Anisan'ny zava-dehibe anaty fivoaran'ny zazakely ny fanomezana sakafo ankoatran'ny nono azy voalohany. Tsy ataotao foana anefa izy io fa misy ny "norme" tokony arahina

1) Rahoviana no tokony hanomboka hanome sakafo ankoatran'ny nono azy ?
Araky ny torohevitry ny OMS sy ny pédiatre dia 4 volana farafahakeliny no hanombohana azy fa tsaratsara kokoa eo amin'ny 6 volana.
Ankoatran'ny taona anefa dia tokony :
- Mahazaka loha ny zaza
- Afaka mipetraka izy rehefa tazomina
- Efa liana izy rehefa mahita olona mihinana
- Efa manao tanana am-bava izy

2) Ahoana ny fomba anombohana azy ?
- Misafidy karazan-tsakafo iray isaky ny hanome azy (oh: karoty andro voalohany, voatavo andro faharoa, paoma andro fahatelo...) Ny fampidiranao karazana sakafo dia manampy azy tsy hifidifidy hanina.
- Atao purée malama tsara aloha ny sakafony amin'ny voalohany ary tsy mila ampiana sira na siramamy satria mbola tsy mahazaka an'izay ny voany (reins).
- Tsy azo ajanona koa nefa ny nono (na nonon-dreny na mixte) satria mbola avy amin'iny ny tena foto-tsakafony.

3) Tokony ohatran'ny ahoana ny fihetsiny amin'ny voalohany ?
Matetika izy dia tsy mety mihinana, arorany ilay izy na manao tarehy ratsy izy rehefa omena an'ilay sakafo. Fihetsika normal izany ary tsy tokony hanaitra fa zava-baovao aminy ilay izy. Aza tonga dia raisina hoe tsy tia an'ilay karazan-kanina omena azy izy fa fombany io. Mila zarina tsikelikely eny izy dia na mihinana eraky ny sotro ary izy dia efa zava-dehibe izay.

Mba tantarao anay indray ny anareo ilay nanomboka nanome sakafo voalohany iny ? Nilamina ve ? Firy volana teo izy vao tena nihinana ?

"Tsy voatery mahafinaritra foana ny mitaiza"😊 Indraindray tsy sahantsika ny miteny an'io nefa tena marina izany.Indraind...
07/04/2026

"Tsy voatery mahafinaritra foana ny mitaiza"😊 Indraindray tsy sahantsika ny miteny an'io nefa tena marina izany.
Indraindray ianao diso reraka loatra.
Indraindray ianao tsy manana faharetana intsony dia kizitina.
Indraindray tsy handrinao mihitsy izay hisitahana kely.
Indraindray ianao mila fahanginana kely.
Indraindray ianao manontany tena hoe mety sa tsia ny ataonao.

Izany rehetra izany anefa tsy midika hoe tsy tianao ny zanakao SAINGY olombelona foana ianao ka tsy afaka ny ho "parfait" mihitsy na hanao inona na hanao inona.
Ny ankamaroan'ny ray aman-dreny rehetra dia mandalo an'ireo daholo fa tsy misy sahy miteny fotsiny sao voatsaratsara hoe tsy mahay mankasitraka na tsy tia zanaka.

Ianareo koa ve mba efa nandalo an'ireo ?🥹

Indraindray misy fihetsika ataon'ny ankizy kely mety mampiahiahy antsika ray aman-dreny nefa kay tena normal😁Araho indra...
06/04/2026

Indraindray misy fihetsika ataon'ny ankizy kely mety mampiahiahy antsika ray aman-dreny nefa kay tena normal😁Araho indray ary ireo fihetsika ireo sy ny dikany dia zarao aminay izay efa nataon'ny zanakao :

1) Hoanina daholo izay hitany, tena tsy mifidy fa na télécommande na kiraro na volo dia any am-bava
👉Mianatra ny manodidina azy fotsiny izy dia manampy azy ilay mampiditra izay hitany any am-bavany. Fa tandremo nefa sao avela ihinankinam-poana ny zaza a.

2) Fanahiniana atsipy daholo izay azon'ny tanany
👉Mianatra izy hoe inona ny vokatr'ity zavatra ataoko ity dia ohatran'ny ahoana ny fihetsika dada sy neny mahita ahy.

3) Lavina daholo ny zavatra rehetra, NON foana na inona na inona
👉Phase mandalo izy, karazany mianatra fahaleovan-tena

4) Mora mila vaniny sy manao crise be koretaka
👉Mbola vao mianatra mifehy ny fihetsem-pony izy dia tsy mahay mandanjalanja fihetsika

5) Tsy mihaino izany izy rehefa resahana
👉Mbola sahirana ny atidohany mifantoka amin'ny zavatra

6) Mitovy foana ny fihetsika ataony
👉Ny famerimberenana no fomba fianaran'ny ankizy zavatra iray

Matetika dia manana fihetsika miavaka kely tsy dia mahazatra foana ny zaza izay mety mampitaintaina kanefa fotoana lalovana mandritran'ny fitomboany fotsiny ilay izy. Raha tena hitanao fa hafahafa nefa ny fihetsiny dia aza misalasala manantona pédiatre sao sendra misy olana hafa.

"Aza raisina isaky ny mitomany ny zazakely fa manjary lasa tsy misy hiainana intsony", angamba efa nahazo an'izay teny i...
05/04/2026

"Aza raisina isaky ny mitomany ny zazakely fa manjary lasa tsy misy hiainana intsony", angamba efa nahazo an'izay teny izay daholo ny ray aman-dreny rehetra, indrindra ireo vao niteraka zaza voalohany😅

1) Fa maninona nefa ny zazakely no midongy ho raisina foana ?
👉 9 volana ny zaza tao an-kibon'ny mamany foana, voarotsirotsy tao ary nahazo hafanana tao. Rehefa tonga ety an-tany izy dia sarotra aminy ilay tonga dia avela irery, mila "sécurité" izy dia ilay izy raisina iny no mampahazo aina azy satria mampatsiaro azy ilay tao an-kibo.
Izany hoe zavatra lalovany normal iny midongy trotroina iny fa tsy sanatria filam-baniny.

2) Inona izany no tokony atao ?
Rehefa mitomany izy dia jereo aloha hoe tsy misy olana hafa ve izy : mafana, mangatsiaka, lena,noana...
Raiso kely izy aloha ho tony dia rehefa milamina tsara dia apetraho moramora. Aza tonga dia miala eo anilany fa safosafoy eo izy, lalaovy, fihino mba tsy ahatsiaro irery. Raha mitomany dia aza tonga dia raisina eo no eo fa handramo ampanginina aloha. Raha tena tsy mety izy dia raiso indray.

👉Tsy mora ny manazatra azy hiala tsikelikely amin'io "phase" io fa mila faharetana ary mila fitiavana be. Aza manamelo-tena mihitsy ianareo ray aman-dreny raha misy fotoana izy tena sarotra alamina fa fombany izay. Vitanareo foana io ary tadidio fa fotoana mandalo fotsiny fa tsy aharitra.

Ny zanakareo ve tena nila noraisina be sa vetivety ihany dia nanaiky natoritory irery ? Inona ilay fikafika tena nandamina azy ?

"Mitomany foana ny olona kelinay amin'ny alina...normal ve izany ?"🤔Valiny : ENY fa nefa tsy hoe mitomany fahatany izy f...
04/04/2026

"Mitomany foana ny olona kelinay amin'ny alina...normal ve izany ?"🤔
Valiny : ENY fa nefa tsy hoe mitomany fahatany izy fa misy antony ao😌

1)Ny zazamena mbola tsy mahay mandamin-tsaina irery fa mila anareo ray aman-dreniny izy hicalmer azy fa tsy hoe mila vaniny.

2)Mbola tsy mahay manavaka andro sy alina izy. Rehefa amin'ny alina dia aza zatra mampirehitra jiro be fa ataovy veilleuse ohatra dia tsy asiana feo mikorontana be intsony mba hanampy azy.

3)Mora noana iny. Mbola kely ny vavoniny dia mora noana iny. Ny zazamena koa dia manao an'ilay atao hoe "cluster feeding", minono maharitra izy (mety ho tonga adin'ny roa eo mihitsy) mandritran'ny alina satria mbola mihezaka mampitombo vatana izy.

4)Mety misy zavatra manelingelina azy ao dia iny tomany iny no ahafahany manambara izany aminareo. Jereo sao lena izy, sao mafana, sao mangatsiaka, sao lanin'ny moka...

Tsy hoe rehefa somary be tomany ny zazakely dia hoe maditra fa tsy mahay miresaka izy dia iny ihany no ahafahany mifandray aminareo.

Mba zarao aminay koa ilay fikafika kely hitanareo iny mba hampitony zaza😃 Inona no tena mafy indrindra taminareo no niaritra azy ?

👉Mpox (Variole du singe) any amin’ny ankizy : fampahafantarana ho an’ny ray aman-dreny1) Mety ho voan'ny MPOX ve ny zaza...
03/03/2026

👉Mpox (Variole du singe) any amin’ny ankizy : fampahafantarana ho an’ny ray aman-dreny

1) Mety ho voan'ny MPOX ve ny zaza iray nefa tsy misy an'ilay mibotsimbotsina be ireny ?
👉Eny, indrindra rehefa vao manomboka ilay aretina. Mety hanomboka amin’ny tazo, havizanana, fanaintainana ary fivontosana (ganglions) ny variole du singe ka aty aoriana vao miseho ilay mibontsina amin’ny hoditra. Indraindray koa mety vitsy kely ilay mibontsina na tsy tazana fa any anaty vavany any.

2) Inona no mety mahatonga fahasarotana na fahafatesana raha voan'ny variole du singe ?
Matetika dia ireto ny fahasoratana mety hitarika fahafatesana :

- Fahasemporana na aretin’ny taovam-pisefoana
- Déshydratation
- Surinfection, izany hoe mihombo be kokoa ny mikraoba ka miparitaka eraky ny rà

Ny fivoahan'ny rà amin’ny orona na vava dia tsy fahita matetika any sainy mety hisy ihany raha toa ka efa lasa lavitra ny fahasarotana.

3) Manao ahoana ny fivoaran'ilay aretina ?
Amin'ny ankapobeny dia maharitra andro maromaro ny fivoaran'ny aretina. Saingy raha misy fahasarotana dia mety hiharatsy haingana ao anatin’ny ora vitsy na andro vitsy ny fahasalaman'ilay olona voan'ny variole du singe, indrindra any amin’ny zaza madinika.

📌 Raha misy tazo maharitra, fahasemporana, malaina misotro rano, malemilemy be na fiovana tampoka amin’ny toe-pahasalamana eny amin'ny ankizy dia aleo manantona mpitsabo matihanina avy hatrany. Ny tena tsara dia spécialiste mihitsy, izany hoe pédiatre, no antonina rehefa misy tsy metimety ny zaza.

Zarao satria maro ny ray aman-dreny mitaintaina amin'izao fotoana izao🙏

Tsy ny entan'ny zaza ihany no mila homanina rehefa hiteraka fa ny an'ny maman koa tsy azo adino🥰Andao indray hiaraka hik...
27/02/2026

Tsy ny entan'ny zaza ihany no mila homanina rehefa hiteraka fa ny an'ny maman koa tsy azo adino🥰

Andao indray hiaraka hikarakara ny valisen'ny maman ary (ho an'ny hospitalisation 3-4 andro no ataontsika) :

👚Akanjo :
- Pyjamas mivaky eo aloha 4 na chemise de nuit
- Bas kiraro 2
- Veste mafana 1
- Bonnet raha mangatsiaka ny andro
- Soutien d'allaitement raha efa zatra manao soutien foana
- Silipo confortable tsara (tsy manery)
- Kapa na pantoufles

🧼Fahadiovana :
- Trousse de toilettes (fihogo, borosy nify, dentifrice, savony,...)
- Serviettes hygiéniques maternité
- Couche ho an'olon-dehibe
- Serviette

💆‍♀️Confort :
- Bodofotsy
- Lamba firakotra maivamaivana
- Lafika fandriana
- Ondana

✉️Documents :
- CIN
- Carnet nisafoana + valin'ny analyses rehetra natao + valin'ny échographie rehetra natao
- Bokim-pianakaviana raha misy

👀Extra :
- Fitaovana fihinanana : vilia, sotro,kaopy
- Thermos

Mbola misy adino ve ? Aza adino fa efa ao ao ambany ao koa ny zavatra ilaina ho an'ny valisen'ny zazà a😉

Address

Nanisana
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 08:00 - 18:00
Tuesday 08:00 - 18:00
Wednesday 08:00 - 18:00
Thursday 08:00 - 18:00
Friday 08:00 - 18:00
Saturday 08:00 - 18:00
Sunday 08:00 - 16:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Maison Petit Bout posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share