03/09/2025
" Nihomehy ry zareo rehefa noteneniko hoe indray andro any aho mbola ho fantatry ny olona maro noho ity baolina kitra ity.
Lazainy fa nofinofy tsy ho tanteraka mihitsy izany.
Androany aho voahantso handrafitra ny Ekipam-pirenena, sainam-pirenena ao am-po, ary vonona hanome ny tsara indrindra avy aty amiko. Tao anaty andro maloka maizin-kitroka aho no nihazakazaka, ankehitriny aho mamiratra hoan'ilay tanindrazako. Avy any amin'ny kianja mamovoka aho no nakany amin'ny kianja bozaka, tanteraka ny nofinofiko.
Tamin'izany tsy mba nisy nandefa ninoninona ho ahy, ankehitriny anefa zareo mandefa someso ho ahy daholo,
" Tafa ialahy, fantatray foana hatram'izay fa vitan'ialahy io..."
Tsy nisy an'iza teo, tamin'izaho nila vonjy, ankehitriny zareo samy te ho ao anaty sary misy ahy daholo.
Manontany tena aho hoe taiza ary izy tamin'izaho teny amin'ny baolim-pokotany?
Androany zareo samy te hanakaiky ahy, fa tsy adinoko ireo izay teo foana ho ahy tamin'izaho tany ambany. Fantatro ny namana raha misy patsa, dia fantatro ny tena namana. 🇲🇬🧠⚽️
Lahatsoratra nihindramina tao amin’ny pejy pour toujours
——————————————-
Ity no hafatro ry zandry malala: mora ny tonga amin’ny toerana ambony saingy sarotra ny mitazona an’io toerana io.
Ara atao repère ny fijerin’ny hafa; raha sanatria ka lavo eo ianao dia hihomehy indray ireo mpanao bravo anao ireo.
Arabaina lasa lavitra: saingy ataovy tsara ny entraînement; ny lalanao hifantohana fa aza miraharaha spectateur izany.
Mirary fahobiazana ho anao ny ekipan’ny Mianatra Mahomby.
Tsara enao
Mianatra Mahomby