Zaza Mamiratra - Torohevitra sy kojakoja

Zaza Mamiratra - Torohevitra sy kojakoja ✨Zaza Mamiratra✨ 🥰Torohevitra sy Kojakoja ho an'ny zaza vao teraka hatramin'ny 12 taona🥰

31/03/2026

Andao indray e!
Soatoavina telo sarobidy indrindra hampitaina amin'ny zanaka mba hahatafita azy.
❤️ Zaza mamiratra❤️
👇👇👇

‼️EFA FANTATRAREO VE RY MAMAN SY PAPA ?🤔👉 Mialohan'ny faha-06 taonan'ny zaza anie no fotoana lehibe indrindra ivelaran'n...
21/03/2026

‼️EFA FANTATRAREO VE RY MAMAN SY PAPA ?🤔
👉 Mialohan'ny faha-06 taonan'ny zaza anie no fotoana lehibe indrindra ivelaran'ny atidohan'io zazakelintsika io eh!🧠
👉 Noho izany, dia ao anatin'io fotoana io no fotoana mety indrindra ampidirana ireo toetra sy fahazarana tsara rehetra ho entiny mandritry ny fiainany ho avy manontolo.
👉 Fotoana mila araraotintsika io mba hanatanterahana ilay lazain'ny Soratra Masina hoe : " Zaro amin'ny làlana tokony alehany ny zaza, fa na dia antitra aza izy dia tsy hiala amin'izany." Ohabolana 22:6
👉 Izay rehetra fahazarana tafiditra eo dia hiainany mandrapaha-antitra, ho sarotra ny hanova azy sy hialany amin'izany.
✅ Koa raha tsara ireo fahazarana ireo dia hitondra Fiadanana, filaminan-tsaina sy fahasalamana ho azy sy ny taranany.
❌ Fa raha sanatria ka fahazaran-dratsy dia hiteraka fikorontanan-tsaina, fikorotanan'ny fiaraha-monina ary fahaverezan-kevitra sy famoizam-po mihintsy aza.
🔀 NOHO IZANY:
🌈 📝MANOMBOKA ANIO, EO AMINAO SY NY FANAPAHAN-KEVITRAO, Ianao no manoratra ny tantaram-piainan'ny zanakao.
🛑Asehoy azy fa fomba fiteny mendrika, fihetsika voalanjalanja ary fomba fisainana madio no ilaina.
🛑 Meteza hianatra sy hampihatra fahazarana tsara satria ianao no MODELY HALAINY TAHAKA.
🛑 Andao hanomana HO AVY MAMIRATRA ho antoky ny:
✅ Taranaka mendrika
✅ Fianakaviana mifankatia.
✅ Fiangonana velona sy vavolombelon'I Kristy.
✅ Firenena Vanona.
⛔ Tsy vitako irery .... tsy vitanao irery koa ... fa HO VITAINTSIKA MIARAKA 😉:
📌 Araho tsy tapaka ny pejy.
📌 Zarao amin'ny hafa.
📌 Andao hifampizara fahalalàna sy traikefa
🌅 HO ZAZA MAMIRATRA IO SOMBINAINTSIKA IO.


'Andriamanitra

🥰ZAZA MAHALALA FOMBA🥰Fony izahay mbola kely, rehefa alarobia hariva iny, miaraka milalao eo amina tany malalaka be ny za...
19/03/2026

🥰ZAZA MAHALALA FOMBA🥰
Fony izahay mbola kely, rehefa alarobia hariva iny, miaraka milalao eo amina tany malalaka be ny zazakely rehetra eo an-tanàna.
🦸 Nisy zazakely iray izay, roa taona latsaka eo, entin'ny mpitaiza azy hilalao miaraka amin'ny ankizy rehetra eo dia sady milalao eo koa ilay mpitaiza. Voadonany ilay zazakely notezainy ka nianjera. Natsangany ilay zaza dia samy lasa izy ireo nanohy ny kilalaony avy....‼
😲 Ry mpanabe sy Ray aman-dReny namako a!
👉 Isika no modely sy fitaratra ho an'ny zaza e‼ Ny làlana hanazarantsika azy ihany no handehanany. Tsy hoe satria kely izy dia tsy maninona raha voadona dia atsangana dia vita...
❌TSIA❌
👉 Raha mandona ny zanantsika isika dia tokony hanao AZAFADY.
👉 Raha handalo eo anoloan'ny zaza dia tokony hanao AZAFADY.
👉 Raha nanao hadisoana dia tokony HIALA TSINY.
👉 Rehefa mifoha maraina dia tokony HIARAHABA.
👉 Raha omeny zavatra dia mba MISAOTRA.
👉 Raha mangataka zavatra aminy na maniraka dia mba asiana MBA ... AZAFADY.
👉 Rehefa handeha dia manao VELOMA.
⛔Tombony ho antsika ny manao BONJOUR, MERCI, PARDON, DESOLE, S'IL TE PLAIT, BYE... amin'ny zanantsika fa tsy fatiantoka satria mampianatra azy ho OLOM-BANONA, MAMIRATRA ary MAHALALA FOMBA
🚨Eh‼ Fitaratra ho an'ny zanantsika isika.
Zaro amin'ny làlana tokony alehany izy.🥰


'Andriamanitra

📝  TSY MAMPIAKA-PEO NA TEZITRA AZA👉 Tamin'ny fahatanorako dia niasa an-trano tamina tokantrano iray aho. Efatra mianadah...
19/03/2026

📝 TSY MAMPIAKA-PEO NA TEZITRA AZA
👉 Tamin'ny fahatanorako dia niasa an-trano tamina tokantrano iray aho. Efatra mianadahy ny zanak'izy mivady. Naharitra folo taona ny niasako tao.
👍 Inona no tena nampiavaka azy ireo sy nahatamana ahy tao hoy ianao?
✨✨Tsy mba mampiaka-peo izy mivady na manao fahadisoana goavana aza aho, na misy fandikan-dalàna ataon'ny zanany aza. Eny fa na dia hitanay ankizy aza indraindray fa misy tsy fifankazahoana eo amin'izy mivady dia tsy mba nahitanay tabataba izany, nefa rehefa afaka ora na andro vitsivitsy dia hitanay eny fa efa niravona ny olana.
✨✨Tena tsapako ho hery miafina mihazona sy mampahomby io tokantrano iray tantaraiko aminao io izany satria na ireo zanany koa aza dia tena malemy fanahy sy malefaka fihetsika daholo. Milamindamina kely foana izahay ao fa tsy dia misy ady sy fifandirana matetika izany.
✨✨ Nilamina ny asako tao, tonga nalefaka ho azy koa aho na dia misy toe-javatra sasantsasany mitaky fandeferana na olana saro-bahana mampikorontana ny saina.
👫 Amin'izao ora anoratako izao, efa manana ny tokantranoko aho ary nambaran'ny vadiko fa anisan'ny antony naharesy lahatra azy tamiko io toetrako tsy mitratrevatreva na mampiaka-peo Io na dia misy antony mahasorena ahy aza.
🙏🙏🙏 Mbola kely ny zanako amin'izao fa mangataka mafy amin'Andriamanitra aho mba hahavita toy ny nataon'izy mivady tamin'ny zanany amin'ny fitaizana ny zanako dia mba ho zaza hendry sy manoa toy ny zanak'izy ireo koa ny zanako.
🌅 Ary ianareo koa, mety misy fahazarana tsara nampitain'ny Ray aman-dReny koa ve tany izay mba irianareo koa ho tafita any amin'ny zanakareo amin'izao?
☺️ Andao hifampizara e!☺️
mamiratra
andavanandro
'Andriamanitra

👪 Renim-pianakaviana aho, manana zanaka kely 1 taona sy tapany. 👪 Isan'andro, rehefa avy misakafo izahay ao an-trano dia...
18/03/2026

👪 Renim-pianakaviana aho, manana zanaka kely 1 taona sy tapany.
👪 Isan'andro, rehefa avy misakafo izahay ao an-trano dia mitsimpona ny vary masaka rehetra latsaka amin'ny tany sy ny latabatra aho fa tena tsy tiako ny mijery azy voahitsakitsaka sy mitakosina eny rehetra eny.
💋Indray andro, nandeha namangy fianakaviana izahay mianaka dia nisakafo tany. Gaga aho anefa fa rehefa vita ny sakafo dia nitsangana izy (ilay zanako) dia nitsimpona ny vary masaka rehetra raha mbola variana niresadresaka iny izahay lehibe.

💥Nihomehy daholo izahay... izaho manokana aloha tena tsy nanampo hoe hay iny fihetsiko isan'andro iny kay ka manan-danja aminy sady tiany alainy tahaka. "Zanak'antitra koa ity" hoy ilay havanay tamin'izay.
☺️ Fa izaho kosa, tena faly ary nisintona lesona goavana tamin'izay tranga niseho izay dia mba tiako ho zaraina aminareo ray aman-dreny mitovy amiko.
❤️"Zaro amin'izay lalana tokony halehany ny zaza, Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin'izany."❤️Ohabolana 22:6
Ry Papa sy Maman namako a:
💡 Ny zaza tsy lehibe ho azy izany, tsy matomatotra ho azy izany, tsy hendrihendry ho azy izany, fa volavolain'ny ohatra asehontsika isan'andro.
💡Ny voa afafy ao am-pon'ny zaza anio, dia hitombo sy hahavokatra rahampitso. Raha mamboly fahamarinana, fitiavana ary finoana ao aminy ianao anio dia hijinja zaza manao ny marina, be fitiavana ary manam-pinoana. Ho Tonga OLONA MAMIRATRA ho an'ny namany sy ny mpiara-monina.
🙏 Hamiratra io zanakankelintsika io raha omena fitiavana, fitsipika sy ohatra tsara. Na amin'ny zavatra kely isan'andro aza, dia afaka mamolavola hoavy tsara ho azy isika amin'ny fanabeazana azy.

Address

Androndra
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Zaza Mamiratra - Torohevitra sy kojakoja posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share