11/04/2026
📣 Coup de gu**le harivariva !
Oh ry zareo ah , fa tena tsy mety ve raha mba mifanaja !
❌Leo tanteraka anareo JP werawera reto izahay !
Tsy maintsy misy fona fona amin’io de olona vaovao be dia be hafa isakin’Live ❌
👆Raha mbola tsy ampy ny vola na tsy mbola priorité aloha ilay mividy ny entanay na bedy ny vadinareo sy misy tsy Salama arakin’i teninareo lava reo nareo a,dia aza mipingapinga manao Jp Jp !
Mahita tenenina foana nareo , ao ny milaza marary tampoka ao ny oe bediny vadiny ao no oe mbola miandry vola !
Ilay entana amin’io tena ifandrombahana sy tsy ampy nefa avy eo bloquer nareo amin’i harantsimpanahinareo 😡
Ny vente en ligne dia tena asa mafy mitovy amin’i asa rehetra ihany , mandoha hetra arampanjakana, misy ankohonana maro be mifanampy mivelona amin’io fa mba aza amaivanina sy tsinotsinoavina azafady indrindra !
Raha ny cas nay manonkana dia be dia be ny fahasahiranana sy vola miala avy aty aminay rehefa manao live eto , tsy oe tombony fona fa ndraindray ary matetika miaina fatiantoka fa asa moa ilay izy !
* Boost live tsy maintsy andoavambola
* Connection sy credit
* Étiquette, sachets ( eny vidina sy ialana vola reny fa tsy nangatahana na notsimponina, vao une fois coller @ anaranareo ilay izy dia efa simba tsy récupérable intsony ) !
* Ny jiro amin’i ring light be efa ho firy anomezana hazavana tsara ny entana amidy !
* Ny havizanana sy harerahana mitabataba efa adin’i firy eo , fanamboarana ny entanareo mba ho lavorary tsara tonga any efa ho divaraina foana vao matory !
Indrindra moa fa ny livreur tena avezivezinareo sy hanaovanareo toetra !
Farany izahay miteny otrizao ary tena handray fepetra amin’izay , fa tsy lasa intsony !!!
Ianareo cliente fidèle sy matotra tsara kosa dia ankasitrahanay foana 🙏❤️