Irina Ratsimandresy

Irina Ratsimandresy Faly mandray anao🥰 Ho soratako izay zavatra tsapanao ,anatinao. 🤗❤ ho zaraiko aminao ny fanahy❤💐

~NY LASA~Mbola misy tavelaireo tontan'ny elaTavela tao ambata.Mbola tsy voafafa,niaraka tamin'ny anaranao.Mbola misy som...
22/12/2025

~NY LASA~

Mbola misy tavela
ireo tontan'ny ela
Tavela tao ambata.
Mbola tsy voafafa,
niaraka tamin'ny anaranao.
Mbola misy sombinao
tavela anatiko ao hatramizao.

Misy tsiaro miserana
minia midongy toerana.
Miandry izay fitserana,
Hitodika any ho any.
Misy dobo iray mangano
Toa fenofeno rano.
Rehefa manongo anatiko ao.
Ilay sombitsombinao.

Atao ahoana no famafa?
Ampirina ny lasa,
Tsy hamelovelo intsony .
Avela 'ndeha hatory
Minia toa manadino.
Anefa,
toa tsy hita izay atao.
Arakaraky ny hanadinoako.
No hahatsiarovako anao.

Irina Ratsimandresy

~Herezo~Tadidio ireo lasa nampaganohano maso.Raha toa ka mahalasa saina anao ny anio.Ny lalànao matoa malàma sy lalovana...
27/11/2025

~Herezo~

Tadidio ireo lasa nampaganohano maso.
Raha toa ka mahalasa saina anao ny anio.
Ny lalànao matoa malàma sy lalovana ankaso.
Dia hisy vokany ao ariana izay no tadidio.

Ao ambadiky ny rahona mbola hisy masoandro.
Fa tsy misy ny mitoetra mandrakizay.
Raha tsy nety ny anio rahampitso mbola andro.
Andro tsara ahafahana manarina indray.

Koa herezo re ny saina dia zory izato dia.
Fehezo ambalahana izany fanantenana.
Ka raha aizina be no eo aloha,aza kivy sanatria.
Rahampitso mbola hiposaka aminao ny hazavana.

27.11.25

Irina Ratsimandresy

~Tsia~Nahoana dia atosika ity fo tsy manakianteherana?Tsy mba nasiana indran-fo  na fotsiny fitserana.Nangarihana raha n...
24/11/2025

~Tsia~

Nahoana dia atosika ity fo tsy manakianteherana?
Tsy mba nasiana indran-fo na fotsiny fitserana.
Nangarihana raha nidongy te ho jerena.
Toa mahatsiaro ho kamboty ,ity fo mahantra ka onena.

Nahoana no nosehina tsy nanana antra?
Moa tena halanao tokoa ity foko kely mahantra?
Tsy finidy raha toa anie ka diso famboraka.
Adala anie ny fitia ka mba tany no niantoraka.

Lazao fotsiny ihany fa aza dia ampahoriana.
Tsy maninona raha izay izany,haiko ny hoe tsy ho tiana.
Fa tsy misy fo mendrika hitomany satria fa tia.
Tsy voatery ianao hanaiky an'izany,fa valio fotsiny hoe tsia.

17.12.25

Irina Ratsimandresy

AntaranoanaHo fofoiko mandramaty ny fitiavako anao.Ka tsisy haharava na rivotra na ony.Ho aleviko ao anaty izay rehetra ...
27/10/2025

Antaranoana

Ho fofoiko mandramaty ny fitiavako anao.
Ka tsisy haharava na rivotra na ony.
Ho aleviko ao anaty izay rehetra momba anao.
Handrombona ho soa,hivelatra hamony.
Eny ry malala,
Izaho ho tia antaranoana.
Na ho tetezin_katsiaka sy hafanana mahamay.
Hatrany hijanona ho tsaroana.
Fa ny foko rehefa tia,
Dia ho anao mandrakizay.
Tsy ho hisy havaha fa toy tadimaty.
Tsy afaka rombahina na koa alana .
Fa na hiantso ny velona ary ireo maty.
Ny fitiavako anao handravana ny lalana.
Mifehy izao tontolo izao.
Eny hatrany ampahafatesana.
Ho tia antaranoana,
"ho malalako ianao."

27.10.25

Irina Ratsimandresy

Sary mahafinaritra androany .💚Mirary tontolo andro mahafinaritra 🫶🏻📸: sary indrana
19/10/2025

Sary mahafinaritra androany .💚
Mirary tontolo andro mahafinaritra 🫶🏻

📸: sary indrana

Address

Antananarivo

Telephone

+261321918058

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Irina Ratsimandresy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Irina Ratsimandresy:

Share