23/03/2026
Alefako ato ihany sao isika mba misy vonona hanampy azy
Salama tompoko hafatra avy amin'ilay bebe an'ilay ankizy iray voalaza tamin'ny nahafatesana Atandroy teo amin'ny lalambaovao
'' Mba mangataka fanampina aho tompoko fa tena tapidalan-kaleha kanefa mbola misy 1 500 000Ariary ny honitra anjarako takian'ireo havan'ny maty, izahay anefa tompoko efa tena lany fananana satria dia efa namidy hatramin'ny anjara tanindrazako nandoavana ilay 8 500 000Ariary voalohany, na dia efa niantoka ny sakafon'izy ireo nandritra ny nijanonan'ny razana teto amin'ny tranoko , sy vata mitentina 650 000Ariary, ka mba miangavy tompoko ho an'izay malala tanana, mankasitraka tompoko ''
032 63 015 48 Noro Juliette
038 96 277 02 Tolojanahary