KASIA Mode

KASIA Mode Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from KASIA Mode, Clothing (Brand), Antananarivo.

05/02/2026

⚡Indraindray, ny olana no fitaovana ampiasain’Andriamanitra hanokafana ny masonao.

⚡Rehefa tsara ny fiainana dia maro no milaza fa tia, fa rehefa sedra no tonga dia hita mazava izay tena mijanona sy izay miova endrika.

⚡ Ny olana àry tsy natao handrava anao, fa hanavaka ny marina sy ny sandoka eo amin’ny olona manodidina anao.

03/02/2026

Ny fahombiazana tsy tonga tampoka. Miorina amin’ny dingana kely, ezaka tsy tapaka, ary faharetana. Rehefa mijoro tsikelikely amin’izay anananao sy vitanao ianao dia manangana fototra mafy hahatonga ny fahombiazana ho maharitra sy mendrika.

28/12/2025

⚡“Mianara mijoro irery.”

⚡“Ny tsy mahay miaina irery dia mora very rehefa misy miala.”

⚡“Ny fahasambarana dia tsy ampekinina amin’ny hafa.”

⚡“Aleon’irery toy izay miaraka nefa very tena.”

⚡“Ny olona mahay miaina irery dia tsy mora potika.”

28/07/2025

Idée de business azo atao dieny miandry valin' ny BACC izao - tsy mila capital be, azo atao irery na miaraka amin' ny namana, fa mampidi-bola:

---

🔸 1. Reselling / Dropshipping (Vente en ligne)

Inona: Mivarotra zavatra amin'ny Facebook / WhatsApp / TikTok (oh: kilalao, akanjo, accessoire, téléphone).

Tombony: Tsy mila stock (azonao angatahina amin ny fivarotana lehibe, dia ianao no mivarotra).

Fanombohana: Maka sary, manao pub, manangona commande.

---

🔸 2. Fanamboarana & Fivarotana Jus Naturel / Gateau fait maison

Ireto avy: Mamorona jus, m**o kely, sandwich, crepes, sns.

Tombony: Mora vidy ny akora, azo amidy manodidina (marché, sekoly, bus).

Fanombohana: Maka commande na mivarotra ivelan' ny trano.

---

🔸 3. Coiffure & Esthétique à domicile (raha mahay)

Ireto avy: Tresse, brushing, lissage, manadio tarehy, sns.

Tombony: Mila fitaovana kely, mora ianarana amin' ny YouTube.

Fanombohana: Asa fanompoam-pahendrena @ fianakaviana sy namana, sady maka sary ho pub.

---

🔸 4. Cours particulier / soutien scolaire

Ireto avy: Manome cours ho an ireo zaza mbola mianatra .

Tombony: Tsy mila fitaovana be, mitaky fahalalana sy fahaiza-mandamina.

Fanombohana: Manao pub any amin ny fianakaviana sy mpiara-monina.

---

🔸 5. Graphisme & création visuelle (Raha mahalala Canva, Pixellab, sns)

Ireto avy: Manao affiche, logo, pub amin ny téléphone na ordinatera.

Tombony: Mila fahaiza-manao fotsiny, azo ianarana amin ny Internet.

Fanombohana: Manao modèle, mametraka tarif, manao pub amin ny groupe Facebook.

---

🔸 6. Vente de vetements friperie / accessoire

Ireto avy: Mividy balles friperie, mivarotra amin'ny isa.

Tombony: Mahazo tombony avo 2 eny, fa Mila paikady marketing fotsiny.
Fanombohana: Maka zavatra kely aloha, mivarotra amin ny TikTok sy Facebook.

---

🔸 7. Aide numérique & Services

Ireto avy: Manao inscription en ligne, CV, lettre de motivation, impression, scanning.

Tombony: Azo atao amin' ny téléphone sy cibert

06/07/2025
06/07/2025

💥 Tsy ny vavan’olona no tokony hampihemotra anao!

🛑 Aoka tsy ho ny fanaratsiana, fialonana, na fitsaratsaram-poana no hanapaka ny dianao.
💪 Raha fantatrao ny tanjonao, mandrosoa.

Ny olona manan-tanjona dia tsy mora mihemotra amin'ny teny manimba,
fa mampiasa izany ho herin’ny fanovàna.

👉 Tsy vavan’olona no mamaritra anao.
Fa ny zavatra ataonao.

Zory am-pahatokiana ny lalana mankany amin'ny tanjonao ! ⭐

Harivelona Francis

05/07/2025

Zavatra 7 tokony ho tadidinao!

1. Aza mitomany ho an’ilay tsy hitomany ho anao.

2. Aza mifikitra amin’ilay tsy miraika aminao.

3. Aza manantena amin’ilay tsy mihevitra anao akory.

4. Aza manamboatra hoavy miaraka amin’ilay tsy manonona anao akory ao anaty drafiny.

5. Aza very torimaso mieritreritra ilay tsy mieritreritra anao akory.

6. Aza mandany andro miandry ilay tsy mahita fotoana ho anao.

7. Aza atao laharam-pahamehana ilay olona tsy manisy lanjany anao.

🪷 Raha nisy nahakasika anao ireo teny ireo...
⏳ Fotoana izao hanandratanao ny tenanao sy hisafidiananao ny fitiavana mendrika anao.

Harivelona Francis

29/06/2025

💥 Aza manaiky ataon'olona fitaovana fotsiny 💥

🔹 Tsy hoe tia ianao dia hanaiky hampijalijaliana.
🔹 Tsy hoe tsara fanahy ianao dia ho ampiasaina fotsiny.
🔹 Tsy hoe mandefitra ianao dia ho atao zary tsy misy lanjany.

📌 Tadidio izao:
✅ Manampia olona, fa aza manadino ny tenanao.
✅ Manomeza, fa fantaro ny fetra.
✅ Mijoroa, fa aza manaiky izay ataon'olona aminao.

Raha te hisy valeur ianao dia aza manaiky ataon'olona fitaovana fotsiny !

Harivelona Francis

19/06/2025

👩‍🦰 Ry Tovovavy!

Aza miandry hisy haka anao vao ho sambatra.
Azonao atao tsara ny manangana fiainana lavorary, na irery aza!

🎯 Mametraha tanjona.
💪 Manatanteraka amin-kasahiana.
💖 Ary ny tena zava-dehibe: atsangano aloha ny tenanao.

Sambatra kokoa ianao rehefa ianao no manangana ny fiainanao.

Harivelona Francis

Address

Antananarivo

Telephone

+261387341595

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when KASIA Mode posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to KASIA Mode:

Share