17/12/2025
🫀🫀
Aza adino ny manao fiainana indraindray.
Na dia miasa mafy toy ny ahona aza ianao,
Na dia manenjika tanjona lehibe,
Na dia manana nofy ambony ho tratrarina,
Na dia manangana business,
Na dia miaritra havizanana, tsindry ara-tsaina, sy adidy mavesatra aza…
Aza adino ny mampirefy ny fiainanao.
Aza adino ny manao fiainana indraindray.
Rehefa sendra misy vola :
Mandehana mba misakafo aminy restau ndraindray
Mandehana mba mividy ny zavatra tianao
Mandehana mba manao voyages mijery culture vaovao
Izaho manokana, tsy adinoko mihitsy ny tenako.
Tsy adinoko ny manao zavatra mahafinaritra ahy,
Tsy adinoko ny mividy zavatra ho ahy,
Tsy adinoko ny mankafy ny fiainako miaraka amin’ny olona akaiky ahy
Ny fahafatesana tsy mampilaza.
Misy olona tena miasa ao anatiny firy taona fa hiandry afaka 10 taona vao hanao fiainana nefa maty aveo.
Tsy natao hiasana fotsiny ny fiainana,
Tsy natao hihazakazaka mandra-pahafatiny ny olona.
Fa natao hiezaka, mandroso, ary mankafy kely koa.
Sady miasa mafy no manao fiainana kely indraindray.
Satria io vatana miasa andro aman’alina io,
Io saina mieritreritra tsy miato io,
Mila encouragement, mila fiahiana, mila fialan-tsasatra.
Réussir avec Martin