Zazah kids

Zazah kids Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Zazah kids, Baby Goods/Kids Goods, Antananarivo.

☘️IDÉE DE RECETTES POUR BÉBÉ ☘️🍁 Amporisihina foana isika Reny hanaraka fampinonoana tsy misy fangarony hatramin'ny faha...
01/05/2025

☘️IDÉE DE RECETTES POUR BÉBÉ ☘️

🍁 Amporisihina foana isika Reny hanaraka fampinonoana tsy misy fangarony hatramin'ny faha 6 volana, aorian'izay dia mampiditra sakafo tsikelikely 🍁

☘️Sakafo maivana ho an'ny zazakely indray ary no atolotray androany☘️

🍁FLAN DE CAROTTES AU LAIT DE COCO👍

✔️ Zavatra ilaina
Carottes - lait de coco kely - atody 1
✔️ Mampiasa Four , cuit vapeur, Mixeur, moules silicones
✔️ Fanaovana azy:
Sasana madio ny tanana, avy eo ny carottes - masahana amin'ny vapeur ny carottes tokony ho 20mn eo ho eo - mandritra izany dia hafanaina ny Four 180°C.
Mixena miaraka amin'ny lait de coco ilay carottes rehefa masaka - arotsaka ao koa ny atody ary atao tena mifangaro tsara.
Vita izay dia zaraina amin'ny moules ary atsofoka anaty Four mandritra ny 15mn

Rehefa somary doré dia masaka izy izay 🍁

☘️ Mety kokoa raha Compote de pommes no atao dessert miaraka aminy ☘️

01/05/2025

👋 Salama daholo ooo 👋

CONTACT PÉDIATRE VITSIVITSY mety hanampy antsika amin'ny andro sarotra 👍

✅ Dr Tovohery - Clinique Ankadifotsy - Tel: 034 06 243 20
✅ Dr Lova Ravelomanana - Hôpital Mère et Enfant Ambohimiandra - Tel: 034 14 200 18
✅ Dr Mboahangy - HOMI - Tel: 033 11 604 06/ 032 11 050 56
✅ Dr Rova - CMM Manakambahiny - 033 08 891 72
✅ Dr Ny Ando - Hôpital Mère et Enfant Tsaralalana - Tel: 034 62 289 00
✅ Dr Razafitsambaina - Clinique St Paul Tsiadana - Tel: 034 51 876 89
✅ Dr Rija Clinique Mère et Enfant Antsakaviro - 038 74 979 72
✅ Dr Vatosoa Ramarojaona - Tel 038 72 500 91

☘️ Sarobidy sy Lahy Tokana ny aina, aleo misoroka hatrany ☘️

☘️ MANIFY SY SOLA NY VOLON'NY ZAZAKELY MATETIKA, INONA NO ANTONY? INONA NO TOKONY HATAO MBA HAMPATEVINA AZY?✅ Ny mahaton...
29/04/2025

☘️ MANIFY SY SOLA NY VOLON'NY ZAZAKELY MATETIKA, INONA NO ANTONY? INONA NO TOKONY HATAO MBA HAMPATEVINA AZY?

✅ Ny mahatonga ny Zaza hanify volo na mety ho sola mihitsy?

✔️ Tarazo: Izany hoe nolovaina tamin'ny Ray aman-ndreny na tamin'ny razambe tany aloha 🍁
✔️ Eo koa ny hoe mbola mihintsana ny volon'ny Zazakely ka misolo vaovao avy eo. Noho izany , Andrasana ho feno heritaona mahery ny zaza vao anapahana ny volony 🍁

✅ Inona ary no tokony hatao mba hampatevina ny volon'ny Zaza ?

☘️ Marihina fa tsy tsara kakasana tanteraka ny lohan'ny zazakely fa sady manimba ny "qualité" an'ny volony izany no mety hisy fiantraikany amin'ny fahasalamany ☘️

FA:

✔️ Tapahana 1 na 2cm eo ho eo aorian'ny faha heritaonan'ny Zaza ny lohambolony ary averimberina isaky ny 3 na 4 volana izany🍁
✔️ Bangoina isan'andro amin'ny borosy malefaka ny lohan'ny Zaza mba hanairana ny fikorinan'ny rà amin'ny hodidohany🍁
✔️ Sasana matetika amin'ny savony malefaka (savon de Marseille, savony Nosy...) na "shampoing pour bébé" ny lohany🍁
✔️ O***a moramora ny hodidohan'ny Zaza rehefa manasa ny lohany. Manampy amin'ny fanirian'ny volo iny no sady mampihena ny fihintsanany🍁
✔️ Rehefa manamaina ny volon'ny Zaza dia petapetahana amin'ny serviette malefaka fa tsy kosehina mafy 🍁.

☘️ Tiako ny Zanako ka kolokoloiko ☘️

☘️ Araho foana ny pejy, ho maro ny soa ho tovozinao ato ☘️

☘️ zaraina fa mety hahasoa ny hafa ☘️
29/04/2025

☘️ zaraina fa mety hahasoa ny hafa ☘️

29/04/2025

👋 Salama daholo ny mpanaraka ny "ZazahKids" 👋. Androany dia torohevitra mahasoa hafa indray no atolotray ho anareo 👍. Aza miala amin'ny Pejy ary 🙏❤️

INONA NO TOKONY HATAO RAHA SENDRA IDIRAN'NY RIVOTRA NY ZANAKAO? (Coliques du nourrisson)Fantaro aloha fa ny zazakely idi...
28/04/2025

INONA NO TOKONY HATAO RAHA SENDRA IDIRAN'NY RIVOTRA NY ZANAKAO? (Coliques du nourrisson)

Fantaro aloha fa ny zazakely idiran'ny rivotra dia tranga tsy dia tokony hahataitra loatra.

✅ AHOANA NO AHAFANTARANA AZY ?

✔️ Mitomany mafy tsy an-kiato;
✔️ Avokony ny totohondriny sady Ataony miforitra ny tongony;

✅ INONA ARY IZANY NO TOKONY HATAO ?

Maro ny fomba azo atao fa santionany ireto:
✔️ Atsilany ny Zaza dia aforitra manantona ny kibony ny tongony;
✔️ Atao ambany couche ny tanana iray ary atao manotra ny kibon'ilay Zaza ny tanana ilany;
✔️ O***a moramora ny kibony sy ny lamosiny;
✔️ Ampandrezatina foana ny Zaza rehefa avy misakafo;
✔️ Rehefa voky izy, izany hoe esorina eo amin'ny vavany ny lohanono ka rehefa hita fa misy ronono miraraka dia ajanona ny fampinonoana.
✔️ Miezaka ny Reny mampinono mba tsy dia hihinana be loatra ny brocolis, chocolat, choux fleur, choux, oignons, agrumes, tomates fa mety hahatonga rivotra ao amin'ny kibon'ny Zaza.

✅ Ary misy fomba tsotra iray fitaizana antsika Malagasy dia ny fanosorana menaka mafana toy ny menaka coco na menak'omby ny kibon'ny Zaza dia fonosina avy eo.

Koa tsinjovy ary ny fahasalaman'ny ZANAKAO fa HARENA MAMY ny ZANAKA

Manasa anao hanaraka tsy tapaka ny pejy fa ahitanao zavatra mahasoa maro momba ny Reny sy ny Zaza.

07/04/2025

Address

Antananarivo

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00
Sunday 09:00 - 17:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Zazah kids posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share