27/04/2026
Tena hoe faly be aho, naika nanao danse de la joie tany imasom-bahoaka 😅
Izao ilay zistoira...
Nianjera ny téléphone-ko tamin'ny zoma dia nipitika ny écran, oui nipitika ny écran fa tsy hoe vaky ohatrany mahazatra.
Cassé ilay nappe ka rehefa nandeha réparateur dia hoe tsy maintsy soloina vaovao ny écran rehetra...😢
Samy nanana ny vidiny fa 55 000 Ariary ny mora indrindra dia 450 000 Ariary ny lafo indrindra... 🤯
Tao amin'ilay réparateur volohany dia hoe 250 000 Ariary dia vao afarana, dans 2 semaines tonga... 🤧
Nitady hafa aho dia nahita mora, rehefa napetaka nefa ilay écran ny Sabotsy dia lasa écran blanc. Tsy maintsy notadiavina indray izany ny source de problème... 👀
Lundi matin nilatsaka ny diagnostic fa misy simba koa ny nappe makany amin'ny carte mère 😭
Ilay téléphone-ko nefa sarotra itadiavana pièce no sady vao même pas 2 mois no nividianana azy 🤧😭
Tena hoe kivy kely aho, narary ny saiko hoe efa 1 an mahery taty aorian'ny nahavery ilay téléphone-ko taloha aho vao nahazo vaovao sady cadeau dia izao simba izao indray... Efa nahazo surnom hoe maudite rehefa tsy misy mangalatra dia simba 😅
Dia androany hariva naka ilay izy tany amin'ny réparateur, tsy vita ilay izy fa tsy nahita ilay pièce 'zareo...
Hoy aho hoe ampahitao fitia aho Tompo fa manana intuition aho hoe resaka écran tsy compatible fotsiny io na mal inséré...
Lasa aho nandeha fotsiny nakao amin'ny Suprême dia nanontany sécurité dia nateriny tao amin'ilay box misy réparateur. Nojereny dia nosokafany (madame ilay tao an) dia tonga dia sûre et certaine izy fa écran tsy compatible no nahatonga an'ilay écran blanc. Dia lafolafo ihany ny azy ireo nefa atao hoe raisonnable...
Napetaka ilay izy, tonga dia nety, tsy nisy olana 😊🥳🎉 Ny hafaliako tena hoe naika nandihy tao amin'ilay box mihitsy aho 🤣
Dia toy izay sy izay ny zava-nisy. Lava be fa tena hoe tsy maintsy nosoratako fa faly loatra aho. Hiasa mafy be amin'izay fa mila averina ny vidina écran 🤣
XOXO 😘