21/03/2026
AHOANA NY FANOMANANA NY P***A?
Shalom aleichem, ry Yahwehs! Androany, rehefa maty ny masoandro, ny P***a, ary arahin’ny Fetin’ny M**o Tsy Misy Masira hafitoana avy hatrany izany.
Mandritra ny fikarakarana ny P***a, dia takin’i יהוה (Yahweh) ny Israelita Hebreo mba hanaisotra izay rehetra misy masirasira (ohatra: ny kazarantsira toy ny karbonetra fahandro, m**o, m**omamy be menaka, na ny zavatra rehetra misy leviora na hero-dronono avy amin’ny tartar; ary ny fangaron-javatra ampiasaina hanaovana koba sy mampitombo koba fanaovana m**o rehetra) avy ao an-trano na ny faritra fonenantsika.
“Hafitoana no hihinananareo m**o tsy misy masirasira: amin’ny voalohan’andro no hanesoranareo ny masirasira amin’ny tranonareo; fa na iza na iza homana m**o misy masirasira hatramin’ny andro voalohany ka hatramin’ny fahafito dia hofongorana tsy ho amin’ny Isiraely” (Eksodosy 12:15)
“Amin’ny andro fahefatra ambin’ny folo amin’ny volana voalohany, nony hariva, no hihinananareo m**o tsy misy masirasira ambara-paharivan’ny andro fahiraika amby roa-polo amin’ny volana. Hafitoana no tsy hisiana masirasira ao an-tranonareo; fa na iza na iza homana izay misy masirasira dia hofongorana tsy ho amin’ny firenen’ny Isiraely, na vahiny na tompon-tany” (Eksodosy 12:18-19)
Amin’ny P***a dia mila mihinana sakafo P***a ny Israelita Hebreo mba ho fahatsiarovana hatrany an’ireo razambentsika nakarina avy tany Egypta (tsy misy mahazo manao raharaha).
“Ary amin’ny andro voalohany dia hisy fiantsoana fihaobambe masina ho anareo ary amin’ny andro fahafito koa hisy fiantsoana fihaonambe masina; tsy hanao raharaha akory hianareo amin’izany andro izany, afa-tsy izay hohanin’ny isan’olona, dia izany ihany no hamboarinareo” (Eksodosy 12:16).
Ahitana m**o tsy misy masirasira sy anana mangidy ny sakafo P***a (anana salady natsoboka anaty vinaingitra) (Eksodosy 12:3-14)
Tadidio fa, manaraka ny P***a avy hatrany ny Fetin’ny M**o Tsy Misy Masirasira ary maharitra fito andro izany. Koa mandritra izany fito andro izany יהוה (Yahweh) no mitaky antsika mba hihinana m**o tsy misy masirasira---na ampiarahina amin’ny sakafo na atokana (Eksodosy 23:15; 34:18; Deoteronomia 16:8).
Fiantsoana fihaonambe masina ny andro fahafito: tsy mahazo manao raharaha (Eksodosy 12:16-17).
JEREO TOLOTRA FETY: https://fototra-mapesf.mg/Ireo_Fetin_Yahweh/FNP_2026
“Raha Tia Ahy Hianareo, dia Hitandrina ny Didiko” (Jaona 14:15).