R. Tatiana Julie

R. Tatiana Julie Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from R. Tatiana Julie, Fenoarivo Atsinanana.

🏗️ MANINONA NO MISAFIDY NY MENTION BTP?🌍 Te ho anisan'ireo manorina ny hoavin'i Madagasikara ve ianao?Ny Mention BTP (Bâ...
28/07/2026

🏗️ MANINONA NO MISAFIDY NY MENTION BTP?

🌍 Te ho anisan'ireo manorina ny hoavin'i Madagasikara ve ianao?

Ny Mention BTP (Bâtiment et Travaux Publics) dia natao ho an'ireo tanora manana nofinofy:
🏠 Hanorina trano maoderina
🛣️ Hanamboatra lalana sy tetezana
🏢 Hamolavola fotodrafitrasa lehibe
👷 Ho lasa Injeniera, Conducteur de travaux, Chef de chantier na Entrepreneur BTP.

🎯Misy parcours 2 izay azonao hisafidianana:
✓ Ingénierie de Bâtiment
✓ Ingénierie des Infrastructures

📚 Mandritra ny fiofanana dia hianatra:
✅ Famolavolana sy kajy ny rafitra fanorenana
✅ Béton armé sy Génie civil
✅ Topographie sy Géotechnique
✅ DAO/CAO (AutoCAD, Civil 3D, Archicad...)
✅ Gestion de chantier sy Métré & Devis

🎯 Ho an'iza?
✔️ Ireo nahavita Baccalauréat
✔️ Ireo tia siansa, teknika ary fanorenana
✔️ Ireo maniry asa manana ho avy sy tena ilaina amin'ny fampandrosoana

💼 Rehefa vita ny fianarana dia afaka miasa amin'ny:
🏗️ Orinasa BTP
📐 Bureau d'études
🏛️ Sampan-draharaham-panjakana
🌍 ONG sy tetikasa fampandrosoana
🚀 Na manangana ny orinasanao manokana.

✨ Aza mijanona ho mpijery fa lasa mpanorina ny ho avy!

Vision Institute
🎓 "L'opportunité pour une réussite."

📩 Misorata anarana dieny izao,🏠 Vision Institute eo ampitan'ny SUPERMAKI VALPINSON, fa ny hoavinao dia atomboka anio!

🏠 Vision Institute Fenerive Est, bientôt 👋

☎️ antsoy: 038 21 036 35

ILAINA NY JIRO  AMIN'NY LALANA MANKANY AMIN'NY HOPITALY BE ETO TAMPOTANANA FENERIVO ATSINANANA.Mitombo hatrany ny fitara...
27/07/2026

ILAINA NY JIRO AMIN'NY LALANA MANKANY AMIN'NY HOPITALY BE ETO TAMPOTANANA FENERIVO ATSINANANA.

Mitombo hatrany ny fitarainan'ny mponina sy ireo mpampiasa lalana momba ny haizin'ny lalana mankany amin'ny Hopitaly Be eto Fenerivo Atsinanana rehefa alina ny andro.

Anisan'ny lalana be mpivezivezy indrindra io, satria tsy tapaka ny olona mandalo, na marary, na mpitsabo, na mpitsidika, ary koa ireo mody avy miasa. Na izany aza dia maizina tanteraka ny lalana, ka mampitombo ny ahiahy eo amin'ny lafiny filaminana sy ny fiarovana.

Tsiahivina fa tamin'ny taona 2022 no nisy fanolorana jiro farany teto Fenerivo Doany. Amin'izao fotoana izao, ireo jiron'ny trano fandraisam-bahiny sisa no hita manazava amin'ny faritra sasany.

Noho izany dia maniry sy miantso ny tompon'andraikitra ny mba hisian'ny fametrahana jiro amin'ity lalana ity. Tena ilaina izany mba hanatsarana ny fivezivezen'ny olona, hanamafisana ny fandriampahalemana, ary hiantohana ny fiarovana ny rehetra, indrindra amin'ny alina.

✍️📷R. Tatiana Julie

FIVORIANA MAHAKASIKA NY DORO TANETY SY DORO ALA ATY AMIN'NY FARITRA ANALANJIROFO Nankatoavina ny drafitra vonjy taitra h...
25/07/2026

FIVORIANA MAHAKASIKA NY DORO TANETY SY DORO ALA ATY AMIN'NY FARITRA ANALANJIROFO

Nankatoavina ny drafitra vonjy taitra hanamafisana ny fisorohana eto Analanjirofo.

Nankatoavina androany ny Drafitra Vonjy Taitra (Plan de Contingence Régional) hiatrehana ny doro tanety sy ny doro ala eto amin'ny Faritra Analanjirofo, nandritra ny fivoriana niarahana tamin'ny Lehibean'ny Fileovana, niarahana tamin'ny Faritra Analanjirofo, ireo Lehiben'ny Distrika, ny BNGRC, ny DREDD Analanjirofo, ireo talem-paritra, ny kaominina ary ireo mpiara-miombon'antoka.

Nifantoka tamin'ny fanamafisana ny fisorohana sy ny fandraisana andraikitra haingana manoloana ny trangan'afo ny dinika. Nofaritana mazava tao anatin'izany ny andraikitry ny sampan-draharaham-panjakana, ny Faritra, ny kaominina ary ireo mpiara-miombon'antoka amin'ny fitantanana ny krizy.

Araka ny fanazavan'Andriamatoa RAJAONARIVO Marc Behaja, Tale Regionalin'ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy (DREDD) Analanjirofo, isan'ireo faritra mahafehy tsara ny trangan'afo i Analanjirofo, ka doro tanety no tena ahitana tranga fa tsy mbola misy doro ala.

Nambarany fa ilaina ny fanohizana ny fanentanana eny ifotony sy ny fanamafisana ny fiaraha-miasan'ny rehetra mba hitazonana izany vokatra tsara izany.

Nandray anjara mavitrika tamin'ny fandrindrana sy ny fankatoavana ity drafitra ity ihany koa ny Faritra Analanjirofo, izay miara-misalahy amin'ireo sampan-draharaham-panjakana sy ny BNGRC amin'ny fanamafisana ny fisorohana sy ny fitantanana ireo loza mety hitranga.

Manan-kery hatramin'ny taona 2027 ity drafitra ity, saingy havaozina isan-taona arakaraka ny fiovan'ny toetrandro sy ny tranga miseho eny an-kianja.

24/07/26

✍️📷R. Tatiana Julie

ATRIKASA HIOMANANA AMIN'NY FANATSARANA SY FANANDRATANA NY MENAKA JIROFO MALAGASY EO AMIN'NY TSENA IRAISAM-PIRENENA.Nifan...
25/07/2026

ATRIKASA HIOMANANA AMIN'NY FANATSARANA SY FANANDRATANA NY MENAKA JIROFO MALAGASY EO AMIN'NY TSENA IRAISAM-PIRENENA.

Nifantoka tamin'ny fanatsarana ny sehatry ny huile essentielle sy ny fiarovana ny ala ny atrikasa teto Fenoarivo-Atsinanana

Notanterahina tao amin'ny Espace Saya Amparatanana, Fenoarivo-Atsinanana, ny atrikasa andiany voalohany momba ny fampandrosoana ny sehatry ny huile essentielle de girofle. Tanjona ny hanatsarana ny kalitao sy ny famokarana menaka jirofo, sady hiantohana ny fitantanana maharitra ny ala sy ny fiarovana ny tontolo iainana.

Araka ny fanazavan'i Délar Jean LAVA, Animateur Technique – Socio Organisation (ATSO), efa niasa teto amin'ny Faritra Analanjirofo nanomboka tamin'ny taona 2024 ny ONG Génésiative Développement, ary miara-misalahy amin'ny ONG CH amin'ny fanamafisana ny sehatry ny huile essentielle. Kendrena amin'izany ny hampisy fiantraikany tsara eo amin'ny lafiny ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-tontolo iainana.

Nandritra ny atrikasa dia nifampidinihan'ireo mpisehatra ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fanomanana ny dingana manaraka, izay hotanterahina any Toamasina amin'ny volana Oktobra. Hifantohana amin'izany ny fanatsarana ny kalitaon'ny menaka sy ny fitaovana fampiasaina mba hahafahan'ny vokatra mahafeno ny fenitra takian'ny tsena iraisam-pirenena.

Ny tanjona dia ny fampandrosoana maharitra ny sehatry ny huile essentielle de girofle sady hiarovana ny harena voajanahary eto Analanjirofo.

✍️📷R. Tatiana Julie

FIVORIANA FANDRINDRANA MOMBA IREO TRANGA FANJAVONAN'NY ANKIZY SY FAKÀNA AN-KERINYNIFANTOHANA TAMIN'NY FISOROHANA SY NY F...
14/07/2026

FIVORIANA FANDRINDRANA MOMBA IREO TRANGA FANJAVONAN'NY ANKIZY SY FAKÀNA AN-KERINY
NIFANTOHANA TAMIN'NY FISOROHANA SY NY FIARAHA-MIENTAN'NY REHETRA NY LAHADINIKA.

Notanterahina tao amin'ny efitrano fivorian'ny Faritra Analanjirofo ny fandrindrana mikasika ireo tranga fanjavonan'ny ankizy sy fakana an-keriny, izey notarihin'ny Lehiben'ny Fileovana Fenerivo Atsinanana, Atoa Henri Jocelyn, niaraka tamin'ny Lehiben'ny Faritra Analanjirofo, TODY Arnaud, ary ireo tompon'andraikitry ny Hery Fiarovana sy Filaminana, ny manampahefana ara-panjakana, ireo Ben'ny Tanàna voakasika, ny Tambajotran'ny Fiarovana ny Ankizy ary ny mpanao gazety.

Nandritra ny fivoriana dia nambara fa tao anatin'ny iray volana dia nahitana tranga ankizy fito (7) tsy hita, fa araka ny fanazavana nomen'ny tompon'andraikitra anefa, ny ankamaroan'ireo tranga ireo dia vokatry ny fialan'ny ankizy an-tsitrapo tao an-tokantrano na ny fandehanana nitsoaka, fa tsy voatery ho tranga fakàna an-keriny avokoa. Na izany aza dia ilaina ny mailo sy ny fanamafisana ny fisorohana.

Notsiahivina ihany koa fa efa nisy ny hetsika fanentanana natao teo anivon'ny Fitaleavam-paritra Mponina taty an-toerana, anisan'izany ny fametrahana afisy momba ny Ligne Verte sy ireo hafatra mikasika ny fiarovana ny ankizy, mba hampahafantarana ny rehetra ny tokony hatao raha sendra tranga mampiahiahy.

Nifantoka tamin'ny fanamafisana ny fandrindrana sy ny fifampizaràna vaovao ny dinika.
Nohamafisina fa ilaina ny tatitra ara-potoana sy ny fanamarinana (recoupement) ireo vaovao rehetra alohan'ny hamoahana azy, mba hisorohana ny tsaho sy ny vaovao tsy marina.
Anisan'ireo soso-kevitra nivoitra ihany koa ny hanamafisana ny fanaraha-maso atao, indrindra amin'ireo ankizy mandeha amin'ny fiara fitateram-bahoaka na fiara manokana, ho fisorohana ny mety hisian'ny fanjavonana na fakàna an-keriny.

Nandritra ny fandraisam-pitenenany, ny Lehiben'ny Faritra Analanjirofo, Maître TODY Arnaud, dia nanamafy fa ny fisorohana no antoky ny fiarovana mahomby. Nomarihiny fa ilaina ny mandinika sy mamantatra tsara ny tena toetran'ny tranga tsirairay ary ny antony niavian'izany, mba hahafahana mametraka paikady sy mandray fepetra mifanaraka amin'ny zava-misy, ho fisorohana ny fiverimberenan'ny tranga sy hiantohana ny filaminam-bahoaka.

Ho fanamafisana ny ady amin'ity tranga ity dia tapaka fa
‌hotohizana tsy tapaka ny fivoriana fandrindrana
‌hamafisina ny fisafoana (patrouille) ety ifotony
‌hatsaraina ny fiaraha-miasa sy ny fifampizaràna vaovao eo amin'ny sampandraharaha rehetra
‌hampitomboina ny fiaraha-miasa amin'ireo mpanao gazety sy ny onjam-peo eto an-toerana amin'ny fanentanana ny mponina momba ny fiarovana ny ankizy sy ny fisorohana ireo tranga mampiahiahy.

Nifarana tamin'ny fanamafisana fa ny fiarovana ny ankizy dia andraikitry ny rehetra, ka mitaky fiaraha-mientana sy fiaraha-miasa akaiky eo amin'ny Fanjakana, ny Hery Fiarovana sy Filaminana, ny Kaominina, ny mpanao gazety ary ny olom-pirenena tsirairay.

14/07/26
✍️📷R. Tatiana Julie

HITA SOA AMAN-TSARA ILAY ZAZA NOHEVERINA HO VERY TAO AMIN'NY KAOMININA MAHAMBOVokatry ny fiaraha-mientan'ny mpitandro ny...
10/07/2026

HITA SOA AMAN-TSARA ILAY ZAZA NOHEVERINA HO VERY TAO AMIN'NY KAOMININA MAHAMBO

Vokatry ny fiaraha-mientan'ny mpitandro ny filaminana avy ao amin'ny tobim-paritry ny Zandarimaria Mahambo, ny fianakavian'ilay zaza ary ny mponina tao an-toerana, dia hita soa aman-tsara ny zoma 10 Jolay 2026 ilay zazavavy izay noheverina ho very.

Araka ny fanazavana voaray, dia tao amin'ny sipany, antsoina hoe DELA Bé Alfred, tao Mahambo Doany no nahitana an'i Rafarasoa Zita 18 taona. Voalaza fa io lehilahy sipany io no nanatitra an'i Rafarasoa Zita nody tany amin'ny ray aman-dreniny.

Mitohy ny fanadihadiana ataon'ny Zandarimaria mba hamantarana ny tena antony sy ny zava-nitranga nahatonga ity tranga ity.

10/07/26

✍️📷 R. Tatiana Julie

FANAMAFISANA NY FILAMINANAMIHETSIKA NY POLISIM-PIRENENA  HISOROHANA NY FAHAVEREZAN-JAZA SY NY FIPARIAHAN'NY ZAVA-MAHADOM...
09/07/2026

FANAMAFISANA NY FILAMINANA
MIHETSIKA NY POLISIM-PIRENENA HISOROHANA NY FAHAVEREZAN-JAZA SY NY FIPARIAHAN'NY ZAVA-MAHADOMELINA

Nivory niaraka tamin'ireo solotenan'ny Kaominina sy ny Lehiben'ny Fokontany miisa dimy ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Analanjirofo, notarihin'ny Commissaire Divisionnaire de Police LEKIRA Liva Stéphane, mba hanamafisana ny fisorohana ny fahaverezan-jaza, ny ady amin'ny zava-mahadomelina ary ny fiaraha-miasa amin'ireo tompon'andraikitra ety ifotony.

Anisan'ny fanapahan-kevitra noraisina ny fanamafisana ny fanaraha-maso ireo vahiny tsy misoratra anarana eny anivon'ny fokontany sy ny fampitomboana ny fifampizarana vaovao, mba hahafahana mandray andraikitra haingana raha misy tranga mampiahiahy.

Nambaran'ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka ihany koa fa efa tafaverina soa aman-tsara ilay zaza very tao Ampasina Maningory. Raha ny fanadihadiana natao hatreto dia tsy mbola misy porofo manamarina fisian'ny halatra zaza voarindra, fa matetika dia tranga ankizy mandositra ny tokantranon'ny ray aman-dreniny na détournement de mineur no miseho.

Miantso ny vahoaka ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka mba tsy hanaparitaka tsaho, fa hampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana na ny Lehiben'ny Fokontany raha misy tranga mampiahiahy.

✍️📷 R. Tatiana Julie

FAMINDRAM-PAHEFANA TEO AMIN'NY FITANTANANA NY FAHANDRAHARANA NY FONJA ETO AMIN'NY FARITRA ANALANJIROFO.Notanterahina and...
03/07/2026

FAMINDRAM-PAHEFANA TEO AMIN'NY FITANTANANA NY FAHANDRAHARANA NY FONJA ETO AMIN'NY FARITRA ANALANJIROFO.

Notanterahina androany Zoma 03 Jolay 2026, tao amin'ny efitrano fivorian'ny Faritra Analanjirofo, ny lanonana fifamindram-pitantanana teo amin'ny Talen'ny Fandraharahana ny Fonja eto amin'ny Faritra Analanjirofo.

Teo anatrehan'ny Tale jeneralin'ny Fandraharahana ny Fonja, Andriamatoa RASAMOELINA Herinirina Roger.

Izay nifamindra andraikitra tamin'izany Andriamatoa BOTOLAHY Charles izay Tale teo aloha, sy i RAZANAMAHARO Steve Anderson, izay voatendry Tale vaovao hitantana ny Fandraharahana ny Fonja aty amin'ny Faritra Analanjirofo.

Nandritra ny lahatenin'ny Tale Jeneralin'ny Fandraharahana ny Fonja vaovao dia nanamafy fa fotoanan'ny fanavaozana sy fanatsarana izao, indrindra eo anivon'ny Fandraharahana ny Fonja. Izy raha teo efa nandalo fiofanana sy fanofanana maro ny ka antenaina itondra Fanavaozana, ary hitondra fomba fiasa vaovao mifototra amin'ny fanajana ny fitsipika sy ny lalàna.
Nasongadiny ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fanamafisana ny fitsipika anatiny, ny ady amin'ny kolikoly, ary ny fiantohana ny filaminam-bahoaka amin'ny alalan'ny fitantanana fonja mangarahara sy tompon'andraikitra.

Nofaranany tamin'ny antso ho amin'ny fanajana ny lalàna sy ny fahamarinana ny lahateniny, ka nanamafy fa: "Aoka ny fahamarinana no hanjaka ary aoka ny lalàna no hifehy ny rehetra."
Ity fifamindram-pitantanana ity dia maneho ny fitohizan'ny asam-panjakana sy ny fanamafisana ny fitantanana tsara, ho fanomezana tolotra mendrika sy manara-penitra ho an'ny vahoaka.

✍️📷R. Tatiana Julie

01/07/2026

ITONDRA ZAVA-BAOVAO ETO AMIN'ITY PEJY ITY ISIKA AFAKA ANDRO VITSY🫰
AZA ADINO MANINDRY NY Suivre😉

Address

Fenoarivo Atsinanana

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when R. Tatiana Julie posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share