10/08/2026
🎨🔥 REHEFA MITENY NY LALANA… DIA MIRESAKA AMIN’NY ALALAN’NY KANTO!
Ahoana no ahafahan’ny zavakanto mitantara ny fiainana eny an-tanàna?
Ahoana no ahafahan’ny loko, ny sary ary ny sary sikotra maneho ireo zavatra hitantsika isan’andro nefa matetika tsy jerentsika?
Izany indrindra no entin’ny ART EXPO PRIVÉE : “VENTSON’ NY BE_ART” – Les chants et les cris de l’art et de la rue. 🎨🔥
Ao anatin’ity exposition ity, ZONGO BILAKY sy KAMI, mpanakanto plastisiana roa, dia mampifandray ny hosodoko sy ny sculpture mba hitantara amin’ny fomba hafa ny fiainan’ny Malagasy, indrindra ny fiainan’ireo mponina eny amin’ny toerana voasokajy ho faritra iva.
💥 Tsy zavakanto jerena fotsiny izy ity fa zavakanto miteny, manontany, manambara ary mijoro vavolombelona.
✨ Fahasahiranana
✨ Fanantenana
✨ Fifanampiana
✨ Fahaiza-miaina
✨ Hafaliana
✨ Ary ilay “lafiny tsara” izay matetika tsy hitan’ny olona amin’ny fiainan’ny quartiers populaires.
📍 TOKONTANY BE MALAGASY – À BESARETY
📅 Vernissage : Sabotsy 19 Septambra 2026 – 15h00
🎟️ Exposition privée – Entrée sous invitation
📩 Réservation obligatoire
👉 Raha te hahita ny zavakanto mitantara ny tena fiainana, aza avela handalo fotsiny ity fotoana ity.
Avia hijery. Avia hihaino. Avia hahatsapa.
🎨 Satria rehefa tsy afaka miteny ny teny, indraindray… ny zavakanto no miteny.
📞 Info : 037 28 026 34 / 038 93 428 93
🤝 TOKONTANY BE MALAGASY
Ny Fihavanana no Tombony ho Antsika.