06/09/2025
Antony mahatonga olona tsy ambinim-bola
❌ Manaratsy ny olona manam-bola
Raha tsy tianao ny olona manam-bola, ahoana no hitiavan’ny vola anao? Raha mankahala azy ianao, dia mitovy amin’ny fandavana ny hahazo azy ihany koa.
❌ Tsy manaja ny vola
Vola alefa etsy sy eroa, tsy mirindra, aforiporitra, tsy voalamina. Raha tsy hajaina ny vola, tsy maharitra ela aminao izy.
❌ Manaratsy ny vola
Milaza hoe “ny vola no fototry ny ratsy”, “ny vola mampanaonao foana”… Raha raisina toy ny fahavalo ny vola, tsy hanatona anao mihitsy izy.
❌ Tsy mahay mitantana vola
Vao tonga dia lanina any ivelany amin'ny karazana fandaniana. Tsy miandry alina firy akory dia efa lasa nefa tena ilain’ny vola izy mba mandeha ao an-tranonao aloha.
⸻
✅ Torohevitra ho an’izay te hanana vola sy ho ambinim-bola
1. Ovay ny fomba fisainana momba ny vola
Aza heverina ho fahavalo izy, fa fitaovana. Tsy ratsy ny vola, fa ny fomba fampiasana azy no mety hitondra ratsy.
2. Manaja vola kely, vao hahazo lehibe
Alamino tsara ao anaty porte feuille ny volanao fa aza avela hiparitaka sy hiforiporitra. Hajao sy karakarao aloha izay kely eo ampelatananao mba ahatonga azy ho be.
3. Mianara mitahiry sy mandamina
Zarazarao ny volanao mba tsy hijanona amin'ny lalana iray vao azo : ohatra asiana Tahiry, Filàna, Fialam-boly voafetra
4. Fadio ny manaratsy olona manam-bola
Mianatra avy aminy no tokony atao, raiso ny tsara ataony, fa aza variana manaratsy
5. Mampiasà vola hampiodina vola
Avelao ny volanao hivezivezy hiasa, fa natao hampiasaina izy io : ohatra fandraharahana, famoronana asa, na fanatsarana fahaiza-manao.
6. Aza miankina amin’ny vola fotsiny, fa manàna fahendrena
Ny vola dia tonga sy mandeha, fa ny fahaiza-manao, fitondran-tena sy fahendrena no mahatonga azy hiverimberina aminao.
⸻
Aza manaratsy vola na manam-bola. Hajao sy tantano tsara ny vola kely anananao. Ampiasao tsara izy mba hiteraka vola hafa. Ary ambonin’izany rehetra izany, ovay ny fomba fisainanao: ataovy namana ny vola, fa tsy fahavalo.
Réussir avec Martin