26/04/2026
Lava zimpo🥹
Fa tsy ahoako akory ny vavan'ny mpiteny
Hoe:"Ovay ny zipo lava be, fa efa dia Raneny,
Ngah tsy misy teritery, fa malalaka toa gony,
Mba manaraha lamaody, ataovy ambonimbony",
Hoe koa:
"avy eo raha celibat, dia maika omena tsiny,
Fa tsy misy ny hitia, noho iny zipo lava iny,
Mba jereo ny hafa, fa tena hitangoronana,
Ny anao ity tsy misy, na dia iray ao am-piangonana"
Misy koa,
"ndryh kay akia😍💝, toa tsara bika be,
Ampian'izato endrika sy hatsaran-tarehy,
Raha asehondryh ity... bika, dia lazaiko tsara,
Hiady andryh ny bandy, betsaka ny ho tara"
Eo koa,
"Ndao mba hampianariko, hampidera bika kely,
Atoroko andryh ny fihaingona madimozely,
Mandreraka ny mahita andryh amin'ity zipo hendry loatra,
Mba manaraha fitafy ny génération mivoatra"
Non non non,
Tsy ho lava resaka aho, teny fohy no hamaliako,
Fa efa fiainako hatrizay ny fitafy manao zipo,
Tsy finoana fotsiny ihany fa fitafy tena tiako,
Na tsy misy hitia aza aho, dia tsy misy hirarahiako🥹