01/12/2023
Hello hello !! 🌸
Raha nanaraka tsara ianareo tanaty story dia misedra olana kely izahay noho ny handefa publication, fa ezahinay alefa tsara ara-potoana satria efa ela ela ihany izay e? 😊
Fa izany aloha eo ihany e, fa manomboka androany dia asiantsika publication toy ity foana ahafahana manoro sy mampambonimbony morale anareo amin’izany hihi, sa ahoana hoy nareo ? ( sady ho ataoko amin’ny teny gasy amin’izay tianareo be za 🤭 )
Ireto izao misy fikafika kely raha toa ka sendra malaeloelo na kivikivy kely iny ianareo androany 🌸
1. - Aza adino ny misotro « dité » hoy isika rehefa sendran’ilay miakatrakatra iny ny sentimaka 🫢😂 satria hono ry reto an, mampitonitony fo izy io ☕️
2. - Raha ozy nareo hoe aaan tsy mandaitra mintsy izy zany, dia andana ary aloha mandro be mihintsy aloha hanalana an’izany sorisory sy kivikivy be zany ee 😌
3. - Nareo ve tia mamaky boky? Anisan’ny mampitony ihany koa ny famakiana boky, za manokana izao ilay boky misy resa-pitiavana sy ilay mampitaintaina ireny no tena tiako 😋 andramo anie e !! 😊
4. - Antsoy ny namanao akaiky/ fianakaviana akaiky, tsy voatery hoe tsy maintsy mitantara olana foana anie vao hoe mila miantso fa na hanontany ny vaovao momba azy fotsiny aza dia efa mety e ! 😄
5. - Mangalà « sieste » kely rehefa ilay somary vizabizaka iny na kivikivy, ilay sieste resahiko eto adiny roa farafahabetsany fa tsy hoe tapakandro nareo hanao sièste dia ao dia ao😂
6. - Mihainoa hira, izay hira hitanareo fa mampitonitony anareo sy tianareo, misy ihany koa playlist kely izay ao amin’ny Youtube natokana ho an’izany raha ohatra ka hoe tsy mahita hira ianareo 🥰
Ny ambiny angamba tsy ho tantaraiko intsony fa ireo natoroko ireo angamba inoako fa hanampy anareo bebe kokoa. 🌸
Izay ary aloha ny partage antsika anio dia amin’ny manaraka ataontsika zavatra hafa indray 🥰
Soava tontolo andro nareo, bisous bisous !! 😘🌸
Bienvenue chez Butterfly Effect !! 🌸
Shoppez vos produits must have chez nous ❤️