Botikaa gasy

Botikaa gasy Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Botikaa gasy, Apparel & Clothing, Antananarivo.

08/04/2026

Mirary soa ho antsika rehetra

Efa ho avy zao ny hatsiaka 🥶 araraoty dieny zao 😍😍
19/03/2026

Efa ho avy zao ny hatsiaka 🥶 araraoty dieny zao 😍😍

17/03/2026

Mirary alina mamy eo ambany fiarovan’ilay Mpahary ho antsika rehetra

17/03/2026

MANINONA NO TOA TSARA FANAHY ANY IVELANY FA MORA MASIAKA AO AN-TRANO ?

Mila fandinihan-tena io zava-misy anankiray io .

Matetika isika no manao saron-tava rehefa eo amin’ny olona ivelany . Miezaka ny ho tsara fanahy sy mahalala fomba isika mba tsy ho very ny faneken’ny olona antsika eo amin’ny fiaraha-monina .

Isika manao saron-tava io anefa matetika olona reraka : reraky ny asa aman -draharaha sy ny rotoroto . Vizana noho ny adin-tsaina samihafa . Misy toetra manahirana te hivoaka ao fa fehezina satria tsy te ho ratsy amin’olona isika .

Ao an-tokantrano no miseho ny maha-izy azy ny olona tsirairay . Miala ny saron-tava ao . Indrisy , mampalahelo fa ny tokantrano no toerana toa ekena ho fanariana sy fanapoahana ny fihetseham-po mavesatra rehetra .

Kanefa olombelona tahaka ny olona rehetra ihany koa ny vady aman-janaka . Mila fitiavana sy hatsaram-panahy avy amintsika izy ireo . Raha ny marina aza , dia ny ankohonantsika no olona voalohany tokony hisitraka ny hatsaram-panahy sy ny fahaiza-miaina avy amintsika .

Rehefa reraka ianao , dia ny fahatongavan- tsaina sy ny fifehezana ny fihetseham-po mavesatra no omanina mialoha . Teneno amin’ny vady aman-janakao ny havizananao mba tsy hampitroatra anao , dia mitenena milamina :

« Reraka i neny androany tamin’ny asa aman-draharaha rankizy . Lava toa tsy ho tapitra ny tontolo androko . Mila fitoniana sy filaminana i neny izao ! »

Aoka hangataka ny fanampian’ny Fanahy Masina isan’andro isika , « fa ny vokatry ny Fanahy dia fitiavana , fifaliana , fiadanana … fahalemem-panahy … » Galatiana 5 : 22 , 23

Raoeliarijao

16/03/2026

Mazotoa daholo indray isika amty alatsinainy ity mirary tontolo andro mahafinaritra ho antsika rehetra 😘😘😘

13/03/2026

Kely sisa ô!✅✅Hir'aina Rakotomalala

🙏🙏🙏
12/03/2026

🙏🙏🙏

Mirary tontolo andro  mahafinaritra ho anao😘😘
12/03/2026

Mirary tontolo andro mahafinaritra ho anao😘😘

26/05/2023

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Botikaa gasy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share