21/03/2024
BOKY TSARA VAKIANA
Miarahaba oh.
➡️PÈRE RICHE PÈRE PAUVRE nosoratan'i Robert T.KIYOSAKI.
Raha fehezina ny voasoratra ao dia tsotra.
🔹️Professeur ny ray niteraka an'i Robert, nanana situation stable (io ilay père pauvre). Hatrizay dia nanosika azy foana ny rainy mba hianatra tsara mba hananany asa stable.
Nanana namana nantsoina hoe Mike i Robert. Ny rain'i Mike dia tsy dia nianatra firy, niainga tamin'ny zavatra kely, ary lasa mpanankarena (izy ilay père riche). Indray andro dia nanantona an'ity rainy Mike ity i Robert ka nangataka azy hoe, ampianaro ho lasa mpanankarena aho.
Feno tantara azo
🔹️Enjana ny critique ataon'i Robert mikasika ny fianarana sy ny fiarahamonina ao anatin'ity bokiny ity. Hatramin'ny fahazazana hoy izy dia ireto foana no zavatra ampianarina ny olona: mianara tsara, dia ahazo asa tsara karama (asa tsy voatery hoe tiana), manangonà vola , mividiana na manangana trano honenana miaraka amin'ny zanaka. Io foana no fanabeazana homen'ny "mahantra" ny zanany.
🔹️Resahany ao koa ny tsy fitiavan'ny "mahantra" ireo mpanankarena, izay lazaina fa mpangalatra, na mpaka ny anjaran'ny sasany, tsy mpandoha hetra sns..
↪Eo ampamakiana an'i PÈRE RICHE PÈRE PAUVRE nefa dia hita mazava fa ny maha mpanana ny mpanana dia ny fananany 🌟ÉDUCATION FINANCIÈRE🌟" ( Fanabeazana ara-bola).
Hevitra lehibe vohiziny ao amin'ity boky ity io.
👉Miainga amin'ny fanabeazana ny harena. Mampianatra ny zanany ho lasa mpanankarena ny mpanankarena.
Famintinana fohy ihany ity publication ity, fa manasa anao aho hamaky ilay boky.Ho anao izay efa ela nanarahana ny pejy ka efa namaky an'ity boky ity, dia manasa anao hamerina izany aho. Any ampiarana aza mamerina lesona foana mandram-pilentik'ilay information ao andoha.
✴Nanova ny fomba fijeriko sy ny an'olona maro ity boky ity. Mino aho fa hanova ny anao ihany koa.✴
Mbola hisy fizarana titre boky hafa hoavy manaraka eto.
Misaotra anao sahady manao "suivre" ny pejy, sy manaparitaka ny fizarana hitanao ato.