21/11/2025
Ra Olombelona sy ny tontolony!🥺
Mahagaga fa isika rehefa misy zava-tsarotra lalovana ,fatiantoka ambadiky izay,fahoriana ambadiky izay,olana goavana no ambadiky izay.Mikaratsaka mihitsy ny saina hoe iza no isarangotina,ho aiza ny tany aleha ☺️(marina izany ooo!?) fa anefa isika efa ampahafantarina matetika ary efa mahafantatra mihitsy hoe ny mampiavaka antsika Kristianina anie ka manana an'i Kristy Ilay Tompon'ny fahefana rehetra eeee!Ny tokony voaloha izany dia ny mitondra an'izany eo Aminy ;mety anaty situation tampoka loatra dia tsy misy toerana mangina ahafahana miresaka Aminy irery fa na ao an-tsaina aza dia afaka miresaka Aminy satria efa tokony ao anatitsika hoe isika anie ka tsy misaraka Aminy fa eo foana Izy eeee!Izany hoe na misy toerana mangina na tsisy dia afaka miresaka Aminy foana isika:Mpamonjy mora azo Izy Ary tsarovy fa efa hainy mialoha io zava-misy io ary efa misy drafitra maty paika handaminany an'io.Isika no mora kivy,isika no mora miverindalana hoe aiza Jesosy amin'io zava-tsarotra io!?fa manàna "FO MAHATOKY AZY";mitsikia na anaty ady aza hoe efa eo Jesosy miandraikitra an'izany.
Tantara iray tena nisy ity:Misy mpivarotra sambos iray izay Dia tamin'izy vao nivarotra dia Téo amin'ny toerana iray izay ;Zara Raha nande Ilay izy;niova toerana izy niala 10metatra an'io Téo Dia vao maika zara Raha nandeha ihany fa niampita an'io toerana faharoa io izy,izay marihana fa 4metatra miala an'io Dia lazaiko anao fa ilaharana io sambos io ankehitriny Ary tsy maharaka Ilay mpivarotra.Azontsika sary antsaina vé hoe ahoana no nandalovany!?fa tsy Kivy fa roso ihany Ary tsy niova nanao Zavatra hafa izy Dia hita nisy vokany ny faharetany FA KOSA NISY NIALANY TAO DIA NAMPIOVA NY VAROTRA.
Ianao koa Raha mamaky ity Dia tsarovy fa Mila manana faharetana Ary Mila manaiky izay lamina misy eo amin'ny fiainanao.Tsarovy fa izay zava-misy Dia misy fitombona amin'ny fahatsarana ao rehefa mitoky tanteraka amin'i Jesosy.Koa "MAHAIZA MITOMBO AMIN'IZAY AAAA!"