29/06/2026
✨ **Samy Reny no miresaka🤍 | Ireo fitaovana tena ilaina raha manomana fiterahana (Ny hevitro amin'ny maha-Reny ahy) – Fizarana 1**
Rehefa bevohoka ny zanako voalohany aho dia tena very hevitra mihitsy. 😅
Isaky ny mijery lisitra aho dia samy hafa daholo ny zavatra hitako sty reko. Misy milaza hoe mila mividy zavatra be dia be, misy kosa milaza hoe tsy ilaina akory ny antsasany.
Dia lasa nanontany tena aho hoe : **Aiza no tena hanombohako ?**
Rehefa niaina izany aho dia tsapako fa tsy voatery hanana ny zavatra rehetra isika. Ny tena zava-dehibe dia ireo **tena ilaina**, izay hanamora ny fiomanana sy hanome fiadanam-po rehefa ho avy ny harena kely. 💛
Raha ohatra hoe mbola hiteraka any aoriana any, Dia ireto no hevriko fa tsy maintsy omanina mialoha'ny fiterahana :
👶 Body vitsivitsy malefaka ( vita amin'ny coton )
🍼 Pyjama mafana
🧦 Ba kiraro, satroka ba ary bodofotsy kely
🛁 Kovetabe fandroana
🧴 Couches, coton na lingette mety amin'ny oditrin'ny zaza
🌡️ Thermomètre
👜 Kitapo efa voaomana ho entina any amin'ny hopitaly
🤱 Ary aza adino koa ny an'i maman : akanjo mampahazo aina, serviette hygiénique, tavoahangy fisotroana rano ary ireo kojakoja ilaina mandritra ny fiterahana.
Tadidio fa tsy ny habetsahan'ny zavatra novidina no zava-dehibe, fa ny fisafidianana ireo vokatra tena ilaina sy tsara kalitao izay hanampy sy anamaivana anao amin'io fotoana iray io. 💕
Ato amin'ny **Zaza Care**, mifidy vokatra natao hanamorana ny fiainan'ny ray aman-dreny izahay, mba hahafahanareo mifantoka amin'ilay zava-dehibe indrindra : ny hankafy ireo fotoana voalohany miaraka amin'ilay harena kely nareo. 🥰
💡 Fizarana voalohany ihany ity!
Amin'ny lahatsoratra manaraka dia hiresaka ireo zavatra tena ampiasaina isan'andro rehefa efa tonga ao an-trano ny zaza, mandritra ny 0 ka hatramin'ny 3 volana isika. 👶✨
💬 **Ary ianao? Raha hanome torohevitra iray monja ho an'ny reny miomana handray ny zanany ianao, inona izany?** Zarao aminay ao amin'ny commentaire. ❤️