Ndao Hifanabe, Nde Hifampitaiza

Ndao Hifanabe, Nde Hifampitaiza Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Ndao Hifanabe, Nde Hifampitaiza, Analamanga, Antananarivo.

Ny fanabeazana dia mampianatra ny olona ny zony, ny andraikitra afaka raisiny, ary ny soatoavina fototra eo amin’ny fiarahamonina - fa ihany koa ny fahalalam-pomba fototra, manampy azy ho olom-pirenena tompon'andraikitra sy vanona ary hendry.

23/05/2025

Education civique ilaina amin’ny andavanandro

Ny éducation civique dia fianarana sy fanofanana mikasika ny maha-olom-pirenena, ny zon’ny tsirairay, ary indrindra ny adidiny eo anivon’ny fiaraha-monina. Tsy hoe any an-tsekoly fotsiny ny éducation civique fa fitaovana enti-miaina eo @ fiainantsika andavanandro. Rehefa hianarana tsara sy ampiharina dia mampandry fahalemana sy mampirindra fiaraha-monina

📝Fahalalana sy fanajana ny lalàna mifehy (discipline)

Amin’ny maha olom-pirenena dia ilaina ny mahafantatra ny lalàna mifehy ny fiaraha-monina sy ny fomba fanao ara-dalàna. Mampianatra antsika hanaja fitsipika, tsy hanao heloka, sy ho tompon’andraikitra amin’ny asa sy safidintsika andavanandro izany.

🎞Fanajana ny hafa sy ny kolontsaina samihafa

Amin’ny alalan’ny éducation civique dia mampivelatra fahatakarana sy fifanajana isika: manaja ny hafa na inona na inona fiaviany, foko, na firehany. Izany hoe miarahaba, manao azafady, tsy mifampihatsy ady, sns. Izany dia manampy amin’ny fanamafisana ny fihavanana sy ny filaminana.

🏷Fandraisana andraikitra amin’ny fiaraha-monina

Ny olona voaofana dia mandray anjara amin’ny fanatsarana ny fiaraha-monina:
- mifanampy amin’ny olon-kafa
- manao asa-tanana
- mandray anjara amin’ny hetsika fanadiovana sy fanabeazana eny an-tanàna. Sns.

🗳Fahaizana mifidy sy mandray fanapahan-kevitra

Ao anatin’ny éducation civique ihany koa no hianarana ny fomba sy maha-zava-dehibe ny fifidianana. Mampiofana antsika amin’ny fananana safidy mazava sy fandanjalanjana amin’ny safidy ara-politika sy ara-tsosialy izany. Tsisy tokony hampiady nefa fa safidy manokana ny an'ny tsirairay.

🇲🇬 Mampivoatra ny firenena

Raha samy manaraka ny adidiny eo @ firenena sy manatanteraka izany amin’ny fomba mirindra ny tsirairay, dia mizotra mora foana ny fandrosoana. Tsy voatery hiandry fitondrana foana, fa fihetsika amin’ny maha olon-tsotra na olom-pirenena (citoyen) dia anisany zava-dehibe.

07/03/2025

🙋 Salama daholo !

Ity pejy ity dia manazava ny tanjona sy ny maha-zava-dehibe ny fanabeazana olom-pirenena 📖. Mikendry ny hampahafantatra sy hanabe ny olona (kely sy lehibe) momba ny zony, ny andraikitra afaka raisina 🛡️, ary ny soatoavina fototra 🌟 tokony hitarika ny fiainam-pirenena, mba hahafahan'izy ireo mandray anjara amin'ny fampandrosoana ny firenena 🌱🇲🇬 sy ny filaminan'ny fiarahamonina 🏟.

*******

Cette page a pour objectif d'expliquer les enjeux et l'importance de l'éducation civique 📚. Elle vise à sensibiliser et à instruire les individus (enfants et adultes) sur leurs droits, devoirs ⚖️, et les valeurs fondamentales 🌍 qui guident la vie en société - afin de les encourager à participer activement au développement du pays 🇲🇬 et à la prospérité de la communauté 🤝.

Address

Analamanga
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ndao Hifanabe, Nde Hifampitaiza posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share