15/08/2023
AZA LANY ANDRO MANENJIKA NY HAFA
Ny ankabeazan'ny olombelona dia lany andro mijery ny hafa fotsiny sy mitsikera ary miezaka mihitsy manao izay hanindriana ny hafa na dia tsy mbola izay loatra ary ny level misy anao.
Eto aho dia te hisarika anao fa raha manana fotoana ny amin'izany ihany maninona raha mandinika fiainan'olona mahomby iray hoe inona avy ireo dingana nataony nahatonga azy nahomby ohatran'io fa tsy manenjika bontolo fotsiny?
Maninona raha mianatra mandeha amin'ny zana-tohatra niakarany dia mba mahomby koa ianao?
Tsy misy mpanenjika lasa aloha izany manko fa any aoriana foana, mba sahia ho lasa aloha ho henjehina e!
Manaraka izany, aza mieritreritra hoe moramora io lalana io fa aleo miomana dieny any amboalohany fa tena sarotra io ka afaka manangona ny hery rehetra amin'izany ianao.
Tsy izay ihany fa aza manamaivana ny fotoana hahafahanao mahatratra ny tanjona apetrakao mba hahombiazanao, tsy ny fahaingany na ny faharetan'ny fotoana no tokony hahamaika anao fa ny faharetanao manao azy.
Mitaky motivation be sy mafy ny lalan'ny fahombiazana fa tsy sanatria tonga tonga ho azy. Be dia be ny sakana eny an-dalana koa mivonona.
Ary tsy izay ihany fa tsy natao hialana ny tsy fahombiazana na ny fahalavoana eny an-dalana fa natao hianarana mamindra sy hampahery anao.
Koa manomboka eto aza lany andro manenjika ny hafa fotsiny, na mandany andro miaraka amin'ireo tsy hampandroso anao fa mandehana amin'ny fiaingana vaovao. Iakaro ny zna-tohatra voalohany hizoranao mankany amin'ny fahombiazana
Prisca Rav