26/05/2026
𝗛𝗼 𝗮𝗻'𝗶𝗿𝗲𝗼 𝘃𝗼𝗮𝗳𝗶𝘁𝗮𝗸𝗮 𝗿𝗲𝗵𝗲𝘁𝗿𝗮 𝗶𝘁𝘆 𝗵𝗮𝗳𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗶𝘁𝘆
⚠️ Ny fandrika lehibe indrindra amin’ny fitiavana amin’izao fotoana izao dia tsy ny tsy fisian’ny fitiavana… fa ny firaiketana haingana loatra amin’olona iray izay mbola tsy tena nanolo-tena ho anao akory. 💔❤️🧏👇👇
Ranabavy, ry rahalahiko… makà fotoana kely hieritreretana aloha. 🧠
✍️Raha mbola tsy manambady ianao, dia mety ho anao ity hafatra ity.
Anisan’ny fahadisoana lehibe ataon’ny olona maro amin’izao fotoana izao, izay mitondra ratra, fahadisoam-panantenana 😔, ny fampifangaroana ny hoe “mitia” sy “miraikitra”.
✅Ny mitia olona iray ❤️ dia:
👉 mankasitraka ny fisiany,
👉 maniry ny hahasoa azy,
👉 manorina hoavy matotra kokoa,
✅Fa ny firaiketana kosa dia:
👉 miankina ara-pihetseham-po amin’olona iray,
👉 nefa mbola tsy misy antoka akory ny amin’ny hoavinareo roa.
⛔Misy olona efa manome toerana be ho an’ny olon-tiany, efa raisiny ho toy ny “vadiny” ao am-pony 💍 nefa:
❌ mbola tsy misy fanoloran-tena matotra,
❌ tsy misy vina mazava,
❌ tsy misy fahamarinan-toerana,
❌ ary tsy mbola misy porofo azo tsapain-tanana.
Afaka mitia olona ianao nefa:
🕊️ Ento mora aloha
🕊️ Ento am-pahamasinana,
🕊️ Ento am-pahendrena
Alohan’ny hiraiketanao be, diniho tsara 👀 :
👉 manaja anao ve izy ?
👉 maharitra sy tsy miovaova ve izy ?
👉 manana tanjona hanambady anao ve izy ?
👉 manome fiadanana sa fihetseham-po mandalo fotsiny ?
🙏Raha voakasik'ity ianao… aza omena toerana maharitra ao amin’ny fiainanao ny olona iray, raha ny fihetsiny sy ny fanoloran-tenany aza mbola tsy nanamarina izany akory.
✉️Tsarovy ilay ohabolana afrikanina manao hoe 🧏👇👇
🌳 “𝗡𝘆 𝗳𝗼𝘁𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗼 𝗺𝗮𝗺𝗽𝗮𝗵𝗮𝗳𝗮𝗻𝘁𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗵𝗮𝗺𝗮𝗳𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗵𝗮𝘇𝗼 𝗶𝗿𝗮𝘆.”
Koa alohan’ny hiraiketanao aminy…
👉 mandiniha tsara,
👉 mivavaha, misaina tsara,
👉 ary avelao ny fotoana hanamarina izay inoan’ny fihetseham-ponao ankehitriny. 🕊️
✍️📸Toky Ravo Arinirainy