04/11/2025
Antenimierampirenena: nandefa taratasy eny amin'ny HCC i Dr Marie Michelle Sahondrarimalala sy i Aurélie Razafinjato ny amin’ny hiveranana ho solombavambahoaka indray.
Raha tsiahivina dia solombavambahoaka voafidy teto Fianarantsoa sy tao Vohibato tamin'ny alalan'ny vovonana IRMAR, izy mirahavavy ireto ny taona 2024, saingy rehefa notandren'i Andry Rajoelina ho minisitra izy ireo dia niakatra nisolo azy ireo i Victor Razafindrakoto sy i Michael Freydier dit Ramika.
Amin'izao fotoana izao taorian’ny naharava ny Governemanta teo aloha ka tsy naha-minisitra azy roavavy intsony, dia izao angatahana eny amin'ny HCC izao ny fiveranan'izy ireo ho député indray.
Source:Claude Razafimahandry