11/01/2024
Fandiovana ny atimbava ny zaza amambolana
# Fandiovana ny atimbava ny zaza amambolana
Maro isika Ray aman-dreny, manao atsirambina ny fikojakojana ny aty vava ny zaza satria hoe
🔴 mbola tsisy nify
🔴 mbola kely lotra
🔴 nify mbola hisolo…
Nefa raha tsy misasa ny nifin’ny zaza dia mitahiry bactérie anatin’aty vava izany, hany ka zaza kely mbola 3-5ans dia misy caries sy maintimainty sahady ny nify keliny.
Tadidio fa vao mipoitra iny dia possible efa misy caries dentaires ny zaza an.👶
Azo diovina tsara mihitsy ny aty vava ny zaza mbola kely.
Maro ny fomba fandiovana ny ati-vava ny zaza, arakaraka ny âge-ny.
Izao ary ny atao :
👉 0-6 mois : maka lamba malefaka, malemilemy dia lemana aveo fomosona ilay lamba ny tondro, (tanana madio vao avy nisasana t@ savony) aveo kosehina moramora ny ihy, ezahana alaina ny ambina nono.
👉 6 mois-3 ans : misy boroso nify malefaka natokana ho an’i zaza afaka ampiasaina tsara, afaka ikosehana azy moramora. Rehefa tokony eo amin’ny ampiasa dentifrice izy, dentifrice natokana ho an’i ankizy ampiasaina manomboka izy 2 ans eo. Kosehina moramora atramin’y lela, sokirina tsara ny nify rehetra. Tsy tsara mihinana zavatra mamy ny alina. In-2 isanandro indrindra alohan’alohan'ny atory.
👉3 ans-6 ans: EFA manomboka afaka mikarakara tena irery izy, ka anjaranao reniny na rainy manaraka anazy moramora. Tsy atao maro ny dentifrice, ary zarina tsikelikely ahaleo tena izy. 2minute ny fetrany ar in2 isanandro no miboroso nify.
Izay ndray ary ny astuce kely natolotra androany.
Aza adino fa azo atao tsara ny mikojakoja ny aty vava ny zaza ry maman rehetra an🙂🥰
Aza adino ny manisy j'aime mba manoana ny asa fapzarana ataoko 😊