24/06/2019
Vaovao mety anampy ny mpifamoivoy eto Antananarivo izay mieritreritry ny hivoka mandritr'ity herinandro ity.
🗣Ho fankalazana ny ny fetim-pirenena ao anaty hafaliana, sy fitoniana, ary firaisan-kina ho antsika vahoaka Malagasy, indrindra ho antsika eto Antananarivo, ny Ministeran’ny Fitaterana sy ny Fizahatanay ary ny Famanatarana ny Toetrandro dia mandray anjara sy manome tanana ary manampy ireo ezaka maro samihafa ataon’ireo mpitandro filaminana (Polisy Nasionaly, Polisy Monisipaly, Zandarmaria Nasionaly) mba hamahana sy hanalefahana ny fitohanana mitranga eny amin’ny fifamoivoizana amin’izao fotoana izao.
🙂Ho fisorohana ny fotoana mety ho very raha sendra fitohanan’ny fifamoivoizana dia mampiasa « Drones » ny Ministera manomboka androany, hahafahana mampahafantatra antsika mpampiasa lalana ny toerana misy fitohanana na « embouteillages » sy ny lalana tokony andehanana. Efa misy ihany koa ekipa avy amin'ny Polisy Nasionaly, Polisy monisipaly manampy amin'ny fanangonam-baovao sy ny fanalefahana ny fitohanana.
📻Manasa anao hanaraka tsy tapaka ny Pejy ofisialin’ny Ministera « Ministère des Transports, du Tourisme et de la Météorologie » sy hihaino ny Radio Nasionaly Malagasy 99.2Mhz, izay hanoro anao ireo lalana ahafahanao miala amin’izany fitohanana izany.
📞Raha misy fanampim-baovao tianao hanampiana ny Ministera dia antsoy ny laharana 034 07 213 63.
Agence des Transports Terrestres