18/06/2026
Spéciale kely ny andro androany ary ho tantaraiko kely anareo ny antony IRAY nitsanganan'ny La Maison d'Iris. 🌸
Heritaona toy izao no nahalasan'ny sipa kelinay mivady tao an-kibo. 18 SA izy tamin'izany. 🕊️ Somary manjombona kely ho anay izany ity andro ity fa kosa tena andro iray anisany nanome hery ho anay hanatanteraka nofinofy.
Surprise kely ho anay ny nahatongavany satria nikotrana be izahay mivady nanomboka 2023 fa hanao fiançailles sy mariage.
Ny fiançailles anay moa vita ny taona 2024 fa ny mariage religieux kosa dia hoe atao ny taona 2025. Fin février 2025 mihitsy anefa no fantatra fa tao an-kibo izy ary na izahay aza gaga hoe fa ahoana akia nefa za tena nikotrana be mibata poids mavesatra be tao anatin'izay fotoana rehetra efa nahatao azy izay. Nanomboka teo dia nomanina ny saina sy ny rehetra fa ho avy izy.
Izaho dia ireny olona vao mahafantatra hoe bevohoka ireny dia niseho daholo ny symptome de grossesse rehetra. Feno roa volana ny kiboko dia efa ngeza be toy ireny zaza efa 4 mois ireny nefa haintsika hoe toy ny ahoana ny tena habeany raha izany volana izany.
Nanomboka teo ilay tsy nisy akanjo anaovana dia mitomany eo alohan'ny dressing satria izaho vetivety dia nahazo lanja tao anatin'izay k atery tamiko daholo ny akanjo taille SM rehetra. Malahelo ny vadiko mijery ahy mitomany isa-maraina, izaho tena sahirana isan'andro miezaka mitady akanjo eraky ny tambazotra tsy mety mahita izay tena tsara, nividy jean de grossesse aza moa fa tsy arak'ilay sary no nivoaka avy any. Efa nanesy ireo karazana site rehetra afaka hanafarana akanjo avy any ivelany ihany koa fa tena lafo raha mandrapahateraka hividy tao foana. 🫣
Indray andro aho niteny ny vadiko hoe "𝗿𝗲𝗵𝗲𝗳𝗮 𝘁𝗲𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗮𝗵𝗼 𝗮𝗻𝘆 𝗮𝗼𝗿𝗶𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗻𝘆 𝗱𝗶𝗮 𝗵𝗮𝗻𝗮𝗻𝗴𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗿𝗾𝘂𝗲 𝗻𝗮𝘁𝗮𝗼 𝗵𝗼 𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝘃𝗲𝗵𝗶𝘃𝗮𝘃𝘆 𝗯𝗲𝘃𝗼𝗵𝗼𝗸𝗮 𝗳𝗮 𝘁𝗲𝗻𝗮 𝗺𝗶𝗷𝗮𝗹𝘆 𝗹𝗼𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗶𝘇𝗮𝗵𝗮𝘆, 𝗱𝗶𝗮 𝗶𝗮𝗻𝗮𝗿𝗲𝗼 𝘃𝗮𝗱𝗶𝗻𝗮𝘆 𝗸𝗼𝗮 𝗺𝗶𝗷𝗮𝗹𝘆 𝗺𝗶𝗮𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻𝗮𝘆 𝘀𝗮𝘁𝗿𝗶𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗵𝗮𝘃𝗮𝗵𝗮 𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮". Izaho koa tena tsy tia manao robe mihitsy efa hatramin'izay ka tena sahirana rehefa bevohoka nefa tsy maintsy nanao satria izay no mba atonona. 😅
Nandeha ny fotoana dia nitohy teny ny malaise isan-karazany, niteny ny dokotera tao anelanelan'izay fa tena ngeza be izy. Feno 14SA no nanomboka nisy fahasarotana taminy ary niady hatramin'ny farany teny izahay mianaka. Noho ny ara-medikaly dia lasa izy teo amin'ny 18SA, izay tena tsy nampoizinay saingy tsy ho tantaraiko angamba izay fa mafy ny niatrehanay azy.
Nandeha ny volana, niezaka nanao ny rééducation rehetra nilaina aho mba hiverenako miadana amin'ny rythme de vie taloha. Volana vitsivitsy tao aorian'izay rehetra niseho izay rehefa nanomboka sitrana aho no niteny ny vadiko indray hoe "𝗮𝗻𝗱𝗮𝗼 𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗵𝗶𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝗴𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗹𝗮𝘆 𝗽𝗿𝗼𝗷𝗲𝘁 𝗮𝗻𝘁𝘀𝗶𝗸𝗮 𝗻𝗮𝘁𝗮𝗼 𝗵𝗼 𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝘃𝗲𝗵𝗶𝘃𝗮𝘃𝘆 𝗯𝗲𝘃𝗼𝗵𝗼𝗸𝗮".
Tsy nisalasala izy fa nanaiky avy hatrany ka nitady ilay anarana nety izahay, dia nanomana ny rehetra, niantso ireo namana afaka hanampy anay mba hahatanteraka izany.
Ny volana septambra 2025 no tokony nitsangana tamin'ny fomba ofisialy izany saingy noho ny toe-draharaha teto amin'ny firenena dia niemotra ny volana novambra. Ka dia nitsangana soamantsara ny 25 novembre 2025 ny marika "LA MAISON D'IRIS". Tsy faniriana fotsiny fa tantaranay izy io, tantara tena niavaka teo amin'ny fiainanay ary tsy navelanay handresy anay fotsiny ny alahelo fa nataonay hery izany mba hananganana zavatra tsara sy mamiratra kokoa.
🙏 Etoana dia misaotra ireo rehetra efa nanjifa izahay fa raha tsy nisy anareo tsy nitohy izany faniriana kelinay mivady izany, hoe hanome fahafaham-po ireo vehivavy bevohoka sy ireo reny rehetra. 🙏
Inona izany no nahatonga ilay anarana ? Ho tantaraiko eto indray amin'ny manaraka..... 😊