29/03/2024
‼️ Aleo aho hiteny 🔥
Ny sehatran’ny asanay amin’ny maha « créateurs de contenus » mihitsy no simbainy satria varotra no hataonay, samy manana ny fomba hivarotany anefa. Ilay vidéo 3 minitra na ilay live adin’iray iny dia efa fidiram-bola na ho an’ireo tompon’ny entana na ireo société lehibe , eny na ho anay koa ary 😡
Mipetraka eo @ placen’ny mpanaraka ny pejy koa zahay satria ireo no toa an’ny clients anay izay sady clients anareo « opérateurs » ; satria izahay rehetra manjifa « internet » vao afaka mividy na mivarotra.
Misy fiantraikany amin’ireo isa hanaporofoinay ny « engagement » ny pejinay io fiakarana be tafahoatra io, indrindra fa amin’ny fahefa-mividy ny tsirairay. Noho izany dia tsy afaka ny anaiky zahay peuple satria fanapotehana ilay izy, na misy ny tsindry hazo lena, tsy afaka miady ho anay mpanjifa ve izany ireo « opérateurs » eto Madagasikara 🇲🇬 ?
Am-bava homana, am-po mieritreritra fa manentana ireo namako ato anatin’ity sehatra ity koa aho haneho ny heviny sao isika no hitondra teny ho an’ireo mpanaraka aman-tapitr’isany amin’ny pejintsika tsirairay avy 🙂
Sam Kwan