23/03/2024
Mazotoa daholo 🤗
Betsaka isika no nangataka menu ho an'ny zaza 6 mois vao hanomboka hisakafo mihintsy.
👉Inty ary misy menu azo avy tamin'ny pédiatre ho zaraina aminareo.
☝️Ho an'ny zaza 6 volana vao hanomboka diversification alimentaire mihintsy izy ity a.
👍Fa mialohan'ny hampidirana sakafo anefa dia tsara raha zarina misotro rano aloha ny zaza mba hisorohana ny fitohanana.💧
👍Mbola tsy manomboka misakafo izy dia efa zarina misotro rano mba tsy ho sahirana rehefa manomboka misakafo izy. Satria mila omena rano matetika ny zaza raha vao manomboka misakafo.🍼
🥙Maro amintsika no misafidy ny hanome céréale na koa ranombary amin'ny ilay voalohany indrindra iny. Fa ny tena tsara indrindra anefa dia ny legume.
✴️ Herinandro 1 :
Amin'ny atoandro ihany izy aloa no omena sakafo amin'ny herinandro voalohany ihinanany.
✅Légume andrahoina amin'ny rano fotsiny aloha na koa andrahoina amin'ny entona.
✅Légume karazany iray fa mbola tsy hafangaro. Ny antony dia mba ahatonga azy hizatra ny tsiro tsirairay ary koa mba ahafahanao mahita ny reaction ny vatany amin'ny legume tsirairay raha toa ka misy tsy zakany.
✅Tsy mbola asiana sira sy menaka.
✅Mixena ary mbola atao matsora be.
✅Omeo izay laniny izy.
✅Raha sendra tsy tiany izay omenao azy dia aza terena fa omeo zavatra hafa aloha izy. Rehefa amin'ny manaraka avereno omena azy ihany anefa fa tsy hoe tsy omena intsony.
👍Inona avy ireo karazana légumes azo hanombohana azy ?
🥕Karoty, ovy, voatavo, haricots vert, brocolis, courgette, petit pois....
🤱👨🍼Ny rano sy ny nono tsy adino fa omena matetika foana. Tadidio fa mbola nono na ronono no tena fototsakafony fa fanampintsakafo ilay omentsika azy io.
✴️Herinandro 2 :
Manomboka eto izay vao omena sakafo in-telo isanandro amin'izay ny zaza.
✅ Maraina : Céréales izay safidianao sy izay tian'ny zanakao. Ovaovana isan'andro. Misy ny vita amin'ny kobambary, koba akondro, koba katsaka sy ny sisa...
✅ Atoandro : Tohizana ihany ilay fanandramana légumes teo aloha. Raha misy légumes vaovao omenao azy dia mbola tsy azo hafangaro zavatra hafa hatrany aloha fa alefaso mandeha irery mba hanarahamaso ny reaction-ny. Raha tsy maninona izy dia zakany izay ilay izy ka afaka hafangaro amin'ny legume hafa efa nandramany teo aloha amin'izay.
👉Mbola mixena sy atao matsora ihany ary mbola tsy asiana sira sy menaka.
✅ Hariva : Ranombary mena. Afaka atao amin'izao, afaka asiana ronono (lait infantile) kely indraindray na koa asiana legume kely.
✴️Herinandro 3 :
Rehefa zatra nihinana sakafo in-telo isan'andro izy dia manomboka afaka omena goûter kely indray.
✅ Tohizana foana ilay sakafo intelo isan'andro efa natao tamin'ny herinandro 2 fa kosa ampiana voankazo ataony gouter.
✅Izay voankazo misy eny antsena afaka omenao daholo fa ny kiwi, raisin ary ny fraise no mbola tsy omena fa miandry kely aloha.
✅Ataovy compote aloha amin'ny voalohany, izany hoe andrahoina foana aloha.
✴️Herinandro 4 :
✅ Tohizana foana ilay sakafo intelo isan'andro teo. Ilay céréale sakafo maraina afaka ampiana na soloina voankazo kely izay tiany.
✅ Ilay legume amin'ny atoandro efa afaka asiana menaka iray sotro kely, na koa hafangaro fromage (Tsy mbola asiana sira foana aloa).
✅ Ny gouter afaka mampiditra yaourt nature ( nature sans sucre) na koa voankazo ihany.
✅ Ny sakafo hariva afaka atao vary sosoa malemy be na koa mixena mihitsy.
✴️ Herinandro 5 no miakatra :
Tohizana ilay teo aloa fa ezahana mba ovaovana isan'andro.
✅ Afaka asiana vary kely amin'izay ilay sakafo atoandro. Afaka asiana hena kely, nofon'akoho (akoho gasy ny tena tsara), nofon-trondro.
✅ Ny texture efa azo ovana tsy matsora be intsony. Arakaraka izay hitanao fa tian'ilay zaza sy mety aminy. Raha toa ka manana olana amin'ny fitohanana izy dia tsara raha mbola atao matsoratsora ihany.