08/09/2025
Surtout le vin rouge et le chocolat 🍫 🍷
🔴 𝙎𝘼𝙆𝘼𝙁𝙊 𝙈𝘼𝙃𝘼𝙎𝘼𝙇𝘼𝙈𝘼 𝙁𝙊 ⚠️⚠️ | atolotro anao androany ireo karazan-tsakafo 10 mahasalama FO.
1️⃣. 𝗖𝗛𝗢𝗖𝗢𝗟𝗔𝗧 𝗡𝗢𝗜𝗥 | 🍫 tsara kokoa ireo chocolat noir misy cacao mihoatry ny 70% (ilay somary mangidy iny). Tsy paquet iray akory, fa carreau 01 isaky ny mihinana dia ampy. Ny chocolat dia mitondra ireo Flavonoïdes, izay mahasalama ny lalandrà.
2️⃣. 𝗗𝗜𝗩𝗔𝗬 𝗠𝗘𝗡𝗔 |🍷 misotroa divay mena in-droa isankerinandro. Rehefa misotro dia ataovy 01 vera ihany mba hahasalama ny fonao. Ny antony dia satria misy Resvératrol izay mahasalama fo ny divay mena. Raha tsy tinao ny alcool dia voaloboka mena atao solony.
3️⃣. 𝗭𝗔𝗩𝗢𝗞𝗔 | 🥑 zavoka antsasany hoanina in-2 isankerinandro. Mitondra menaka mampalandilandina ny lalandrà. Manampy anao hiaro @ AVC sy ny Crise cardiaque.
4️⃣. 𝗧𝗥𝗢𝗡𝗗𝗥𝗢 𝗠𝗔𝗧𝗔𝗩𝗬 | 🐠 ny SARDINE sy ny SAUMON no trondro matavy izay miaro @ fahatsetsenan'ny lalandrà manerana ny vatana. Mitondra Oméga-3 izay anisany singa tena tsara hoan’ny fahasalaman’ny fo sy ny lalandrà. Aza adino ny mihinana azy in-1 mandeha isankerinandro.
5️⃣. 𝗟𝗘𝗚𝗨𝗠𝗘𝗦 𝗠𝗔𝗜𝗧𝗦𝗢 | 🥦 anisany izany ny BROCOLI, LAISOA, EPINARD, HARICOT VERT izay mitondra fibres sy vitamines ary antioxydants mahasalama ny fo. Ataovy in-1 mandeha isankerinandro.
6️⃣. 𝗩𝗢𝗔𝗠𝗔𝗜𝗡𝗔 | 🫘 tafiditra ao ny TSARAMASO sy ny LENTILLES izay mitondra potassium mampilamina ny tosidrà avo. Ataovy in-1 mandeha isankerinandro.
7️⃣. 𝗧𝗢𝗡𝗚𝗢𝗟𝗢 𝗚𝗔𝗦𝗬 | 🧄 aza adino mihitsy ny manisy tongolo gasy @ sakafo izay hoaninao isanandro. Mety hoanina manta, mety hoanina masaka. Hasina 01 isan’olona, isanandro dia hahasalama ny fonao sy ny lalandrà anao.
8️⃣. 𝗔𝗣𝗢𝗡𝗚𝗔𝗕𝗘𝗡𝗗𝗔𝗡𝗜𝗧𝗥𝗔 | 🍎 anisany voankazo tsara indrindra hoan’ny fo. Mitondra antioxydants mampatanjaka ny hery fiarovana sy mahasalama fo. Afaka hoanina na dia isanandro aza.
9️⃣. 𝗛𝗨𝗜𝗟𝗘 𝗗'𝗢𝗟𝗜𝗩𝗘 𝘯𝘢 𝗖𝗢𝗟𝗭𝗔 | 🏺 ireo no menaka tena tsara handrahoana sakafo ara-pahasalamana na araraka @ crudités. Raha tsy tratra ny isanandro dia ataovy in-2 isankerinandro.
🔟. 𝗡𝗢𝗜𝗫 | 🌰 anisany izany ny NOIX DE CAJOU (mahabibo), VOANJO izay mitondra ihany koa Oméga-3 tena mahasalama tokoa. Ataovy anaty bocal dia tsaingotsaingoy isaky izay mahatsiaro sy te hitsakotsako ianao.
✅ 𝙎𝘼𝙈𝙄𝘼 𝙈𝙄𝙕𝘼𝙍𝘼 🔥🔥
___
indrana 👉 Dr. Rakotonoel, Cardiologue ❤️