OLI SHOPY

OLI SHOPY TSENA MALALAKA

28/01/2026

Mofon'aina anio✝️

Abonneo page

23/01/2026



Ilaina ny mizara fitiavana fotsiny, dia mifaly fa afaka nizara izany na tsy nifamaly tamin'ny tao anatinao aza izay mba tany amin'ilay olona.
Ilaina ny mifaly satria nomena fahafahana namboraka izany ianao, ary nomena fotoana nahafahana nizarana zavatra tsara.
Mifalia fa nisy fanantenana afaka nozarainao satria izany no fonosin'ny fitiavana, fa tsy sanatria fifandrafiana sy fankahalàna no nipololoitra tao.
Mianara afa-po satria nomena olona nahafahana namoaka izay tena lalina tao am-po, nomena fotoana nianarana nitia sy nahasambatra ilay tiana. Na hafiriana faharetany...🥹🤎
............

Misaora an' Jesosy, fa nomeny anao ny fotoana ahafahanao mitia. Tsy navelany ho lanianao amin'ny fankahalàna na lolom-po ny andronao, fa kosa FITIAVANA.
Misaora an' Jesosy, mampahafantatra anao ny tena lanjan'ny fitiavana, dia ilay napetrany tamintsika mba hiainantsika mpanara-dia Azy.
Misaora an' Jesosy, nanokatra ny masom-panahinao : Hoe MIZARA FOTSINY DIA AMPY, tsy mila fanontaniana be na fiandrasana valiny.

Fa MITIA fotsiny dia izay!
Misaora AZY manampy anao hijery ny tanjon'ny fitiavana napetrany, amin'ny fomba Fijeriny azy fa tsy izay ao am-ponao ao fotsiny.
.............

Jesosy NIZARA ny tao am-pony fotsiny na dia tsy mbola nisy nantenaina be aza, tamiko sy taminao (Jao,15:13). Natolony fotsiny Ny Ainy na hanaiky sy hino Azy isika na tsia, tsy fantany izany hoe valin-teny andrasana (tahaka ny fombantsika olombelona). Fa ny fantany kosa, dia ny fitiavana afafy TSY MAINTSY MISY VOKATRA.

17/01/2026

Savlation is a miracle ♡

ANDAO hiverina HINO an' Jesosy sy ny heriny, HINO Ny Teniny mihoatra noho ny feo hafa. Hiverina hino fa Izy ALOHA no Fototry ny fahagagana sy ny fiovàm-piainana rehetra, ary tsy misy zavatra na olombelona mahavita ny vitaNy❌.

ANDAO hiverina hino sy hitady an' Jesosy sy ny Heriny, fa tsy hiankina foana amin'ny teny avotsotra sy ny fitetezam-piangonana etsy sy eroa. Andao haverina ilay INTIMITÉ LALINA amin' Andriamanitra🔥mba ho sensible amin'ny Feon'ny Fanahy Masina isika.

ANDAO haverina ilay firehetana be hoan' Jesosy iny, ilay fiainam-bavaka tsy afaka noelingelenin'ny devoly. Andao haverina ilay hetaheta lalina ny hikasika ny Lambany, ka tsy hiandry ny hafa foana hivavaka eo amin'ny toerantsika... fa mba isika mihitsy no noana sy maniry mafy ny Fanatrehany, sy ny hihaona Aminy.

ANDAO haverina ilay mifototra sy mifantoka tanteraka amin' Jesosy Kristy ILAY MATY KA NITSANGANA TAMIN'NY MATY, mba hananantsika fihavanana amin' Andriamanitra Raintsika indray.

Fa very isika taloha, kanefa hita indray.
Ary maty isika taloha, kanefa natsangana indray.
Jamba isika taloha, kanefa nampahiratina indray.
Voafatotra isika taloha, kanefa nohafahana indray.

JESUS IS THE REASON.

10/12/2025
Iza no manana zazalahy kely 8 à 10ans, Gilet mihaja kely ,vaovao tsy omby izy ty dia alefa sao mahasoa anareo o,10 000ar...
20/11/2025

Iza no manana zazalahy kely 8 à 10ans,
Gilet mihaja kely ,vaovao tsy omby izy ty dia alefa sao mahasoa anareo o,
10 000ar monja
Mp ary izay mila azy sady efa ho avy ny noely
Afaka livrena a🥰🥰🥰🥰

Ireto lot anikitelo eto dia mahasoa ny mpianatra CE/CP/CM2Iza no mila azy o?Occasion mbola tsara be ary mahasoa ny zanan...
07/11/2025

Ireto lot anikitelo eto dia mahasoa ny mpianatra CE/CP/CM2
Iza no mila azy o?
Occasion mbola tsara be ary mahasoa ny zanantsika
15000ar ireo lot de 3 ireo🥰
Afaka aterina
Mp izay liana ary o🥰

Address

Antananarivo
102

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when OLI SHOPY posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category