Maman & Bébé

Maman & Bébé Harena Sarobidy ny Zanaka

12/05/2026

Misy fotoana ianao miezaka mitsiky…
na dia mandalo fotoantsarotra aza ?

Tsy ianao irery fa izaho koa efa niaina an'izany.
Ary tao anatin'izany indrindra no nahatsapako fa :
tsy nandao ahy Andriamanitra.

Teo foana Izy… na dia indraindray aza toa tsy tsapako.

Raha mandalo fotoan-tsarotra ianao androany, dia tiako ny hampahatsiahy anao fa :

👉 hitan’Andriamanitra ny zavatra lalovanao
👉 Tsy manadino anao Izy
👉 Manana planina ho an'ny fiainanao Izy

Mbola miasa ao aminao Izy, na dia tsy mahita vokatra aza ianao amin’izao.

Matokia fa Izy mitantana ny fiainanao.

Mirary soa.

🫶Iza ilay maman tia roman ato. ✍️📖👇👇👇Manasa anao hanaraka ity page ty fa misy roman en épisode publié isan’andro ao. 👇👇👇...
07/05/2026

🫶Iza ilay maman tia roman ato. ✍️📖
👇👇👇Manasa anao hanaraka ity page ty fa misy roman en épisode publié isan’andro ao. 👇👇👇👇

💔 PREMIER ÉPISODE – L’AMOUR INTERDIT

Elle ne devait jamais le rencontrer.
Il était tout ce qu’elle détestait… riche, arrogant, inaccessible.
Elle n’était qu’une fille ordinaire, invisible dans son monde.

Mais le destin ne demande jamais la permission.

Un regard.
Un silence.
Et tout a commencé à changer.

💔 Ce qu’ils ignorent encore… c’est que leur histoire est déjà condamnée.

📖 Épisode 1 bientôt…

👉 Abonne-toi pour ne pas rater la suite.






✨ Ny “secret” mampahomby ny fitaizana ✨Tsy mety mankatoa mihitsy ny zanakao ? Tsapanao hoe tsy mandeha amin'ny tokony ho...
06/05/2026

✨ Ny “secret” mampahomby ny fitaizana ✨

Tsy mety mankatoa mihitsy ny zanakao ? Tsapanao hoe tsy mandeha amin'ny tokony ho izy ny fitaizana ?

Ity no tsara ho tadidiana voalohany : "Ny fifandraisana tsara no fototry ny fanabeazana mahomby" 💛

Tsy mora amin'ny ankizy ny mankatao raha mbola tsy misy fifampitokisana.
Tsy afaka hanaraka ny fitsipika napetraka ny zaza raha mbola tsy mahatsiaro ho voaaro sy azo antoka izy.
Ary tsy miorina tsara ny fahazarana raha toa ka avy amin’ny fanerena fotsiny 😌

👨‍👩‍👧 Rehefa tsara kosa ny fifandraisana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka dia :
• 👂 mora kokoa ho an'ny ankizy ny mihaino
• 🤝 mora kokoa amin'ny zaza ny mandray fanitsiana
• 💬 lasa fifampiresahana fa tsy fifandirana ny fanabeazana

👩‍🏫 Toy izany koa amin’ny mpampianatra sy mpianatra :
Rehefa misy fifampitokisana dia misokatra ny sain’ny ankizy ary mora kokoa ny fianarana 📚✨

💡 Tadidio manomboka izao ary fa :
Alohan’ny hanitsiana fitondran-tena dia amboary aloha ny fifandraisana 💛

✨ “Ny fifandraisana aloha, vao ny fitsipika.”

Sa ahoana hoy ianareo ? Mba hilazao ny fanandramanareo ho an'izay efa mampihatra an'izany.

💛 Mahalaza zavatra betsaka ny sarySaika maneho ny zava-misy atrehin’ny reny maro isan’andro : asa, fikarakarana ny ankiz...
04/05/2026

💛 Mahalaza zavatra betsaka ny sary

Saika maneho ny zava-misy atrehin’ny reny maro isan’andro : asa, fikarakarana ny ankizy, raharaha ao an-trano, sy ny tsy voatanisa fa indrindra ilay “charge mentale” izany tsy hita maso nefa mavesatra be.

💪 Courage daholo isika rehetra. Matanjaka isika reny, na dia miatrika tolona mangina aza indraindray.

🥗 Sakafo voalanjalanja hoe ?Isika Malagasy dia zatra mihinana matiteka vary + voamaina + hena … 🤔Indraindray aza vary + ...
01/05/2026

🥗 Sakafo voalanjalanja hoe ?

Isika Malagasy dia zatra mihinana matiteka vary + voamaina + hena … 🤔
Indraindray aza vary + ovy 😅

👉 Eny, mahavoky tokoa, FA misy tsy ampy !

⚠️ Ny olana ?

Ny vary 🍚 sy ny ovy 🥔 dia samy féculents, mitovy ny zavatra entiny
👉 Samy manome hery

Hena + voamaina 🍗 = Samy proteinina
❌ Tsy ampy fibre sy vitamine

✅ Ahoana ary ny atao hoe sakafo voalanjalanja e ?

Na ho an'ny zazakely na ho an'ny lehibe dia tsara foana misy an'ireto eo ambony vilia :

½ = legioma 🥬
¼ = vary na féculents 🍚
¼ = proteinina (hena NA voamaina)

Izany hoe ny legioma no tokony ho betsaka

Dia hoy isika hoe : tsy ampy anay Malagasy izany vary 1/4 ny vilia izany 😅

💡 Fa maninona no ilaina ny sakafo voalanjalanja ?

✔️ Manome hery maharitra ampy ampiasaina mandritra ny tontolo andro
✔️ Manampy ny vatana hiasa tsara (tsinay, hery fiarovana…)
✔️ Misoroka aretina (diabeta, sns)
✔️ Manampy amin’ny fitazonana lanja ara-dalàna

💡 Ireto misy ohatra tsotra :
✔️ Vary + akoho + anana
✔️ Vary + Tsaramaso + Lasary legioma
✔️ Vary + trondro + salady

✨ Mety tsy mahazatra fa rehefa resy lahatra ianao fa ilaina ilay sakafo voalanjalanja dia manao ezaka e.

👉 Azontsika atao koa ny manazatra ny zanatsika dieny mbola kely.

💬 Iza aminareo no mba efa manao an'io ? Ahoana ny nanombohana azy ? Inona ny tombontsoa tsapanao ?

🍽️👶 MILA ZARINA MISAKAFO IRERY DIENY MBOLA KELY HONO NY ZAZA 😄Raha tiana ahaleo tena haingana sy ho tia misakafo ny zaza...
29/04/2026

🍽️👶 MILA ZARINA MISAKAFO IRERY DIENY MBOLA KELY HONO NY ZAZA 😄

Raha tiana ahaleo tena haingana sy ho tia misakafo ny zaza dia mila avela misakafo irery, mandray sotro, vilia sy sakafo amin'ny tanana.

Dia ozizy tsika hoe : rehefa avela misakafo irery anie izy dia aparitany eran’ny latabatra sy akanjo fotsiny lay sakafo e 🤣

Ie, tena izay mihitsy, fa dia anisan’ny fianarana tsikelikely daholo izany 🌱

Tsy mora amin’ny voalohany fa tena dingana lehibe amin’ny fivoarany io ✨

Iza no efa nanao an'izany dia ahoana no nataonareo ?
Firy volana ny zanakareo no nanomboka nahay nisakafo irery ?
👇💛

😴👶 Zaza tsy matory atoandro : ara-dalana ve ?Misy zaza sasany tsy mba matory atoandro izany. Matetika dia normal tsara i...
27/04/2026

😴👶 Zaza tsy matory atoandro : ara-dalana ve ?

Misy zaza sasany tsy mba matory atoandro izany. Matetika dia normal tsara izany 😊 satria samy hafa ny zaza tsirairay 🌱

✨ Ara-dalana izany raha :
• mavitrika sy milalao tsara izy amin'ny atoandro 😄
• tsy reraka be na koa kizitina na mora tezitra foana 😅
• matory tsara amin’ny alina 🛌

🧠 Fa inona no mety mahatonga azy tsy matory atoandro ?
• efa mihalehibe ka mihena ny torimaso atoandro
• be ireo zavatra mahavariana azy na koa misy tabataba be manodidina
• tsy mbola misy routine mazava ⏰

💡 Inona no azo atao ?
• mametraka routine fatoriana (ora mitovy isan’andro) 🕒
• mampitony ny tontolo manodidina azy (hazavana malefaka, mangina) 🌙
• tsy mila terana izy rehefa tsy te hatory

⚠️ Mila jerena manokana kosa raha :
• hita hoe lasa reraka sy malemilemy foana izy
• miovaova tampoka ny fihetsehampony : tezitra na kizitina lava
• tsy matory tsara na amin'ny alina aza

💬 Ny anareo firy taona/volana ny zanakareo ? Matory atoandro ve sa tsia ?

👶💨 Pelika loatra ve ny zanakao ? Ahoana no ahafantara hoe ara-dalàna ihany ve sa efa tafahoatra ?Efa noresahantsika teo ...
24/04/2026

👶💨 Pelika loatra ve ny zanakao ? Ahoana no ahafantara hoe ara-dalàna ihany ve sa efa tafahoatra ?

Efa noresahantsika teo aloha koa ity lohahevitra ity.
Betsaka taminareo no nametraka fanontaniana hoe ahoana raha diso pelika loatra ? Andeha ho resahana misimisy kokoa ary.

✨ Ireto ny zava-dehibe tsara ho fantatra :
👉 Ny ankizy dia natao hihetsika
👉 Ara-dalàna tanteraka raha be angovo (energie) izy, indrindra amin’ny fahazazany

Fa ⚠️ hafa mihitsy koa anefa ilay atao hoe “hyperactivité”

🔎 Rahoviana no azo atao hoe mbola ara-dalàna ?

✔️ Rehefa afaka mifantoka izy rehefa ilaina izany (fantaro fa vetivety ihany koa anefa ny fifantohan'ny zaza)
✔️ Rehefa afaka tony ihany izy indraindray
✔️ Rehefa tsy voaelingelina ny torimasony na ny fianarany

❗ Rahoviana no mila fitandremana manokana ?

👉 Raha tena tsy mipetraka mihitsy izy na vetivety aza
👉 Tsy afaka mifantoka na dia fotoana fohy aza
👉 Manelingelina ny fiainany andavanandro ny fihetsehany (torimaso, fianarana, fifandraisana)

⚠️ Amin’izay fotoana izay dia mety ilaina ny manatona dokotera specialiste.
Mety misy manana cas toy izany ve isika ato ? Dia ahoana no natao ?

Izay indray ary aloha fa mirary soa sy mankahery ny RAD rehetra amin'ny fitaizana.

🙏 Misaora an’Andriamanitra raha manana zanaka mipelipelika ianaoNoresahantsika teo aloha ity lohahevitra ity…Ary maro ta...
22/04/2026

🙏 Misaora an’Andriamanitra raha manana zanaka mipelipelika ianao

Noresahantsika teo aloha ity lohahevitra ity…
Ary maro tamintsika no nanamafy fa tena manana zaza be fihetsiketsehana be any antrano 😅
Marina fa manahirana indraindray… nefa averina ihany 👉 zavatra tsara izany !

✨ Mila mihetsika ny ankizy mba hitombo tsara :
✔️ Mampatanjaka ny vatana sy ny hozatra
✔️ Manampy ny fivoaran’ny saina 🧠
✔️ Mampianatra azy hahafantatra ny tontolo manodidina azy
✔️ Manampy azy hamoaka ny heriny sy ny fihetseham-pony

👉 Tsy hoe maditra akory ny zaza mihetsiketsika…
Fa zaza salama sy mivoatra tsara 💛

⚠️ Inona ary no tokony hataon’ny ray aman-dreny ?

✔️ Aza sakantsakanana fa tariho (“canaliseo”) ilay angovo (energie) be ananany
✔️ Avelao izy hihetsika, hivoaka sy hilalao any ivelany 🌿
(ataovy azo antoka fotsiny ny toerana hilalaovany)
✔️ Omeo sehatra sy kilalao mampihetsika azy : mampihazakazaka, mampandihy, mampitsambikina, sns
✔️ Mametraha fitsipika tsotra
(ohatra : tsy mahazo mihazakazaka ao an-trano)

⚠️ Tandremo ilay hoe aleo omena "ecran" amin'izay mba mipetraka tsara.
Ie, mety hanampy anao vetivety izany… fa tsy mamaha olana ary mety hampitombo ny tsy fifantohana sy ny fikorontanana any aoriana 📱

💭 Tsapanao hoe tena be pelipzlika loatra indray ve ny zanakao ?
Manontany tena ianao hoe sao dia efa tsy ara-dalàna intsony ?

👉 Aza miala fa ho resahintsika amin’ny publication manaraka izany 👀

📲 Araho (abonneo) ny page raha mbola tsy manaraka anay ianao 😉

👶😄 Mipelipelika be ve ny zanakao ? Mihanikanika ? Tsy mahatombina mihitsy fa mahita kitihana foana ?Manakorotana 🧸, miha...
20/04/2026

👶😄 Mipelipelika be ve ny zanakao ? Mihanikanika ? Tsy mahatombina mihitsy fa mahita kitihana foana ?

Manakorotana 🧸, mihazakazaka etsy sy eroa 🏃‍♂️, mitabataba, mikiakiaka, miorakoraka eran’ny trano 😅

💛 Misaora an’Andriamanitra fa salama tsara izy izany raha manao ohatran’izany

Satria midika izany fa :
✨ matanjaka tsara izy
✨ salama tsara ny vatany
✨ mivoatra, mitombo sy mianatra isan’andro izy izay

Ary aza adino koa 🙏
Misy ray aman-dreny any ho any maniry mafy mba hahita zanaka afaka mihazakazaka sy milalao toy izany antranony nefa mbola miandry fatratra 🤍💛

👶 Tsy tia “purée” intsony ve ny zanakao ?Ara-dalàna tanteraka izany, indrindra raha manodidina ny 9 volana izy. Mety mar...
05/04/2026

👶 Tsy tia “purée” intsony ve ny zanakao ?

Ara-dalàna tanteraka izany, indrindra raha manodidina ny 9 volana izy. Mety marika izany hoe efa vonona hanomboka sakafo misy potipotiny na morceau malefaka izy 💛

Mbola vitsy kely ve nefa ny nifiny, sa mbola tsy misy akory aza ?
Fantaro fa tsy voatery hoe efa betsaka ny nifiny vao afaka mihinana morceau ny zaza.
Ny hihiny (gencive) no tena ampiasainy hitsakoana amin’io taona io.

👉 Efa manomboka mitsakotsako ve izy rehefa omena sakafo ?
👉 Efa mahavita mandray sakafo amin’ny tanany sy mampiditra izany any am-bava ve izy ?
👉 Manodidina ny 9 volana na mihoatra ve ?

Raha eny, dia azo atomboka tsikelikely ny fanomezana azy sakafo tsy voatery potserina be intsony, fa mbola malemy tsara foana anefa.

✅ Ireto misy ohatra azo omena azy :
🍌 akondro masaka tsara
🥑 zavoka
🥔 ovy na vomanga masaka tsara
🥦 brocoli na karaoty nandrahoina malemy tsara

Azonao atao lavalava, boribory na koa carré, mora raisina amin’ny tanany ilay izy, mba hahafahany miezaka mihinana samirery.

⚠️ Tandremo tsara anefa :

Araho maso foana ny zaza rehefa misakafo
Ataovy mipetraka mahintsy tsara izy rehefa omena sakafo
Aza ampihomehezina na koa avela hiazakazaka na koa hipelipelika

❌ Ireto kosa ireo mbola tsy mety omena azy :
paoma manta, karaoty manta, voanjo, na sakafo hafa mafy sy boribory.

💕 Tadidio fa samy manana ny rythme-ny ny zaza tsirairay.
Tsy hoe rehefa feno 9 volana dia tsy maintsy efa vonona amin’ny morceau izy.
Misy zaza mila mandalo amin’ny purée somary misy potipotiny na sakafo nopotserina tamin’ny fourchette aloha, vao tena vonona amin’ny morceau.

Ny zava-dehibe dia tsy terena, fa arahina moramora arakaraka izay mampahazoto homana azy.

👉 Ny anareo, firy volana ny zanakareo no nanomboka nihinana morceau ?

Address

Toamasina

Telephone

+261340698842

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Maman & Bébé posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share