04/04/2025
HIRA FANEVAN’NY TAOM-BAOVAO MALAGASY
TRANOBE TSARAHONENANA
*******
Taom-baovao izay tena anao
(Tonga indray ity ny Taom-baovao e)
Tonga indray ty ny Taom-baovao e
Taom-baovao Malagasy izay tena anao e e
Tsy haitraitra na hoe kilalao
Fa kolon-tsaina sy fomba fanao
Fa kolon-tsaina sy fomba fanao e, ye e e
Mampiavaka antsika / am’izao tontolo izao
Taom-baovao Malagasy roy e
Tonon-taona/ tsy manam-paharoa
Taom-baovao Malagasy lahy e
Fotoana iray/ iravoravoan’ny fo
Sady Fidiovana/ Famerenan-kasina/fifampitsofan-drano
Izany no Taom-baovao Malagasy rey roy e
Sady Fidiovana/ Famerenan-kasina/fifampitsofan-drano
Izany no Taom-baovao Malagasy ry lahy e
(Sambasamba Zanahary e)
Sambasamba Zanahary
Deraina Isaorana ilay Nahary e e
Izao isika izao tsy harofy tsy harary
Izay hatao rehetra dia ho lavorary
Izay hatao rehetra dia ho lavorary y e e e
Hitombo harena / na koa hoe voka-bary
(Dia samy tratry ny arivo taona mitsingeringerina daholo e !)
A/C : Ny mpanabe-mpanakanto
Aristide RANDRIANAIV0
CLUB-ACADEMY GROUP
18/02/2025