02/05/2026
Mpandraharaha aho.
Tsy nanomboka t@ tsy nisy 🙂
Satria nanana andefimandry nanohana, nizara ilay vina, niantoka, nampahery, niaraka nizaka ireo sedra, niaraka nibaby ny trosa...
Nanana iraitampo nampahery, nihaino teny foana, nampindrana, afaka antsoina amin'ny fotoana rehetra...
Nanana dada sy neny, tia ahy, nanao safidy ny hahatoky, nitoetra ho modely teny foana, nanampy anay na tsy misy azony aza ireo vina anatin'ny fonay mivady...
Dia mbola eo foana izy ireo, miara-dalana ❤️
Tsy resahan'ireo mpanao coaching sy accompagnement en entrepreneuriat ny maha-sarobidy ny fananana olona. Amiko io no isan'ny antoka lehibe indrindra mampety ny rehetra.
Dia hoy aho hoe mankasitraka aho 🙂 notahiana aho manana azy ireo ary fantatro loatra izany. Tsy hiandry an Bricks Montessori School hikatona aho vao hanao tora-po krkrkr
Tsy goavana be ny orinasako fa manao zavatra tiako aho, manasoa ny taranaka aho, mifoha maraina aho isan'andro mahafantatra hoe hioty vokatra aho any aoriana. Ary indrindra indrindra mahita ny zanako aho isan'andro, mahita azy ireo mitombo, milalao, miaina ny fahazazany malalaka ary feno fifaliana...
Izany koa no iriako ho anareo manaraka ahy eto 😚 samia mahita izay mahasoa fa indrindra indrindra samia mahita izay mitondra fiadanam-po 💐
Am-pitiavana be foana foana 💕
Fitia,